Tompondaka amin’ny fahaizana mamono afo, manoloana ireo toe-draharaha mafana eto, ny fitondrana Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny “Cellule de Crise Diovy i Madagasikara”. Nanterin’ izy ireo fa endrika famonona afo no andikana ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika ho mpitarika politika mendrika aty Afrika. Nametra-pialana tsy ho sekretera jeneralin’ny Fiombonana […]
Politika
Fambolen-kazo teny Imerinkasinina: Niantso ny firaisankinan’ny mpanohitra ny Tim
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa ilaina hatrany ny firaisankina sy ny tsy tokony hatahorana ka hanana fahasahiana, manoloana ny fiainam-pirenena. “Misy ny hevitra tsy mitovy, koa miantso antsika rehetra izahay mba hiray saina amin’izao mahazo ny vahoaka sy ny fahapotehan’ny firenena izao”, hoy izy, teny Imerinkasinina, tamin’ny fambolen-kazo […]
Fifehezana ny serasera : Mpiasan’ny primatiora miisa 85 niofana
Hanatsara ny fomba fiasa ny mpiasa eo anivon’ny primatiora. Nisy ny fampiofanana hanamafisana izany. Ny fahaiza-mifehy ny serasera manoloana ny fivoaran’ny haitao ankehitriny. Izay no anisan’ny nifantohan’ny fiofanana ho an’ireo mpiasa miisa 85 mianadahy eny anivon’ny fiadidiana ny Primatiora sy ny rantsamangaikany. Nandritra ny herinandro ny fiofanana teny Mahazoarivo ihany, […]
Samifin – Ady amin’ny kolikoly : Misokatra ny fandraisana tale jeneraly vaovao
Manakaiky ny faran’ny fe-potoam-piasana, 2021-2025, ny tale jeneralin’ny Sampandraharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola (Samifin) amin’izao, Rajaonarison Mamitiana. Nosokafan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI) tamin’ny tambojotran-tserasera, omaly, ny dingana fandraisana tale jeneraly vaovao amin’izany. Anisan’ny antoky ny fahaleovantenan’io sampandraharaha io ny fomba fandraisana ny tale jeneraly. Antoky ny fitondrana tsara […]
Jly Ravalomanana Richard : “Ohatra ho an’ny mpanao politika Avaradrano”
Notanterahina omaly ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 16 eny amin’ny distrikan’Avaradrano. Nanafatra sy nanome toromarika azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ ny lahateniny. “Mahavelombolo ny mahita ny firaisankina asehon’ireo ben’ny Tanàna na samy manana ny firehan-kevitra politikany aza. Ohatra tsara azon’ireo mpisehatra politika rehetra […]