Politika

FANTINA sy FINTINA

Mamerina ny zava-doza nataon-dRajoelina Andry sahady ny fitondrana, araka ny nambaran’ny mpitarika ny FMI, Ratsietison Jean Jacques. Nohitsiny fa mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana. « Tsy mety izao ka mitodika amin’ny filoha izahay avy aminao ny baiko misambotra ireo ankizy ireo. Ankizy nitolona ireo. Avelao haneho hevitra », hoy izy. […]

Depiote Ralambozafy Raoto: “Aoka ho tena tomponandraikitra isika tanora ”

Manoloana ny hetsika isan-karazany ataon’ny Gen Z sasany, nivoaka amin’ny fa­hangi­na­ny ny solombavambahoaka voa­fidy tao Isandra, Ralambozafy Raoto. Namba­rany tamin’ny resaka nifanaovana taminy, omaly fa : “va­hao­lana maharitra no ilaina, tsy vahaolana velively ny ko­rontana”. Nohamafisiny fa efa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanavaozana, tarihin’ny mpitondra ankehitriny ny Anteni­mi­erampirenena. Anisan’izany […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana ny tanora”

Ny hetsiky ny tanora no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Tsy vitan’izay, mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, nanomboka ny fikaonandohan’ny tanora. “Mitana anjara toerana manokana ao anatin’ny rafi-panavaozana ianareo tanora, ary manana ny lanjany amin’ny fitarihan-dalana ny hoavin’i Madagasikara sy ny hoavinareo rahatrizay”. […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo voatazona eny amin’ny BC Anosy i Herizo Gen Z, araka ny nambaran’ny depiote Raje­rison Antoine. Nanamarina ny zava-nisy teny an-toerana ny tenany, omaly. Nambarany fa ilaina ny fifampiresa­hana. « Hampitombo ny disadisa ny fisamborana ka takianay ny hamoahana ireo tanora, niara-nitolona hatrany am-boalohany ireo », hoy izy. Hentitra ny […]

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: “Ady folo no atrehina hanatanterahana ny PGE”

“Folo ny ady manokana tsy maintsy atrehina hiroso­ana amin’ny fanavaozana sy hampiraisana ny Malagasy, izay iraka napetraka amin’ny fanatanterahana ny PGE”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ta­min’ny fanolorana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny Fanavao­zana, teny amin’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Tsimbazaza, omaly. Anisan’izay ady folo izay ny famatsian-jiro sy rano, […]