Politika

Masoivohon’i Frantsa : Mandiso ny fisian’ny Frantsay mikasa hanakorontana

Lavin’ny masoivohon’i Frantsa amin’ny fomba ofisialy ny fiampangana miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny fidiran’i Frantsa amin’ny fikasana hanakorontana ny tany sy ny fanjakana eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy amin-dry zareo ny faran’ny herinandro teo. Vaovao miely amin’izany ny hoe fisiana miaramila frantsay tafiditra amin’ny fikasana hamono ny filohan’ny […]

Fanavaozana zotram-pifidianana : Hanao fikaonandoham-pirenena ny Ceni

Hanatanteraka fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tanjona ny ahalalan’ny vahoaka ny andraikitra sy ny fikarakarana eto Madagasikara. “Ny andraikitra sahanin’ny Ceni amin’izao, eo ny fampandehananany raharaha andavanandro amin’ny maha rafi-panjakana araka ny lalàmpanore­nana azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pi­renena mahaleo tena misa­hana […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy tanteraka ny hetsika diabe am-pilaminana nokasain’ny Gen Z teny Ambohijatovo sy ny Kianjan’ny 13 mey, ny asabotsy teo. Anton’izany ny fisian’ireo ampahan’olona tonga nijapy ny hetsika, raha ny fanazavana. Na izany aza, nanamafy ny fitakiana sy ny famoahana ireo tanora mbola voatazona any amin’ny mpitandro ny filaminana ny tanora […]

Fiadidiana ny Fanavaozana : “Tsy voamarina ny hoe vahiny mikotrika korontana”

“Hatramin’izao dia tsy mbola nisy fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika manamarina na mandiso an’ireo vaovao ireo”. Io ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rahajason Harry Laurent, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fielezan’ny vaovao hoe teratany vahiny mikotrika tetika fanakorontanana eto Madagasikara. Vokatry ny […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Miasa izahay fa tsy mampanantena”

Nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany, tamin’izany, fa tsy manao fampanantenana ny fitondrana fa miasa amin’ny fanampiana ny mponina any an-toerana. “Manan-karena ianareo eto, saingy tsy voakarakara”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, nitsidika tao Mahabo­boka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, […]