Politika

Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Tsy ara-dalàna ny anto-bola 200 tapitrisa Ar »

“Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanovana ny anto-bolan’ireo kandidà ho lasa 200 tapitrisa Ar”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, teny Faravohitra, afakomaly. Raha ny And. 47 amin’ny lalàmpanorenana, fifidianana mialoha ny fotoana izao fifidianana hatao izao. Noho izany, araka ny And. 9 ao amin’ny lalàna fehizoro lah. 2018-009 mifehy […]

Fanahiana krizy : manana vahaolana hisorohana korontana ny Arema

Nanolotra volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimiera, teny Tsimbazaza, momba ny lalàm-pifidianana ny Arema, afakomaly. Natao hisorohana ny mety ho fifandirana sy ny korontana izany, araka ny nambaran’izy ireo. Voarakitra ao anatin’ny tolo-kevitra ny hampiasana ny « Machine à voter” sy ny fampiasana ny “Carte biométrique ». Namba­ran’ny Pr Andrianarisoa Ange fa […]

Raveloson Constant: “Ahina ny fifampihantsiana hiteraka savorovoro”

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, ny mpandinika ny raharaha politika, Raveloson Constant. Anisany nohazavainy ny momba ny fifidianana sy ny mety hambaran’ny filohan’ny Repoblika, i Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa misy fandrika marivo tototra ny datim-pifidianana navoakan’ny governemanta io ka voajono amin’izany ireo rehetra voan’ny tazon-tseza. “Sahirana ny filoha […]

Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa: nankasitraka ny ezaky ny fitondrana ny OIT

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Yvette Sylla, ny talen’ny biraon’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa, Dr Coffi Agossou. Notantera­hina Ny 11 jolay 2023, teny amin’ny minisiteran’ny Raha­ra­ham-bahiny izany fihaonana izany. Mahakasika ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) no noresahina tamin’izany. […]

Andrianainarivelo Hajo: “Mila faranana ny fitantanana tsy mahomby”

Nitondra ny heviny momba ny nivoahan’ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa efa notakin’izy ireo herintaona lasa izany tetiandro izany fa namoaka ihany ny governemanta rehefa tratry ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola. Manapo­rofo izany fa tsy vonona amin’ny fifidianana ny fanjakana raha tsy voatery. Notakiny […]