Politika

Fanapahankevitry ny governemanta : hatao ny alakamisy 9 novambra ny fifidianana filoham-pirenena

Nohamafisin’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni. Hotanterahana ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena . Nambaran’ny Praimini­sitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazo­arivo fa manamafy ny maha firenena mandala ny demokrasia sy mametraka ho tany tan-dalàna an’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fifidianana. “Anisan’ny mahatonga antsika ho tafiditra amin’ireo […]

Antoko MMM : “Tsy tokony ho izao isika”

Nitohy tany Sava ny fihaonan’ny MMM amin’ireo mpikambana sy ny vahoaka any an-toerana, ny asabotsy teo. Hentitra ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. “Tsy tonga amin’izao ny seha-pihariana lavanila raha nampihatra ny fitsinjaram-pahefana ny mpitondra”, hoy izy. Nambarany fa niroborobo izany raha notohanana ny tantsaha. Nohenoina ny eny ifotony sy […]

Diplaomasia Madagascar-Chine : hisy ny fanararaotra ho an’ny sehatra tsy miankina

Nihaona tamin’i Wang Yi, talen’ny birao misahana ny raharaham-bahiny any Chine, ny delegasionina malagasy notarihin’i Yvette Sylla, minisitry ny Raharaham-bahiny ma­lagasy. Fitsidihana an’i Chine ny 30 jona 2023 hatramin’ny 2 jolay 2023. Fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta no vontoatin’ny resaka tamin’izany. Nisy koa ny dinika mahakasika ny fivela­ran’ny fiaraha-miasa […]

Ravalomanana Marc: “Mikatso tanteraka ny fiainan’ny firenena”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly, teny Faravohitra. Notsikerainy tamin’izany ny fomba fitondrana ankehitriny. “Mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto”, hoy ny filoha mpanorina ny Antoko Tiako i Mada­gasi­kara (Tim), Ravaloma­nana Marc. Nohamafisin’ity filohan’ ny Repoblika teo […]