Politika

Ramamimampionona Gérard : “Tsy ny politika no ilana filaminana”

“Lasa hirahira eny anivon’ny fiarahamonina ny filaminana sy ny fitoniana. Tsy amin’ny politika ihany izay. Eo indrindra koa ny maha olombelona : milamin-tsaina tsara ve hiatrika fifidianana? Zava-dehibe izay.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramami­mam­pionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Misy famakafakana ao anatin’ny filaminana rehefa misafidy. Eo […]

Fihaonana tamin’ny mpanao gazety : kivy tamin’ny filoha Rajoelina ny mpanohitra

Samy namatrapatratra avokoa ny sasany amin’ireo mpanao politika taorian’ny fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha, ny alahady teo. Tsy araka ny nantenain’izy ireo ny zava-misy. Notsiahivin’ny depiote “Del kely”, omaly, fa efa nanana traikefa hatramin’ny Tetezamita ny filoha nefa ireny no nambarany. “Kivy tanteraka aho na ny endriky ny […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Misy matahotra fifidianana “

“Amiko, rediredin’ny mpanao politika matahotra fifidianana ny fivoizana zom-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, matoa nahazo nirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana 2018, ny dikan’izay: ara-dalàna ny antontan-taratasy napetrany. Mizaka ny zo feno izy, mahafeno ny fepetra rehetra hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Adihevitra efa tsy […]

Fitsidiham-paritra nataon’ny filoha : nisitraka fotodrafitrasa sy fanampiana i Sainte Marie

Nitohy ny sabotsy teo ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina ny tany Sainte Marie. Anisan’ny nanatrika ny “Festival des baleines” ny tenany rehefa avy nitokana ny fiangonana katolika voalohany eto Madagasikara nohavaozina. “Tanàna mahafinaritra, mendrika hampandrosoana ary tsy ho hadino intsony ny aty. Ni­vavaka ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy koa […]