Politika

Fihaonambem-paritry ny FFKM: nofaritan’ny mpizaika ny mason­tsivan’ny ho kandidà

Nifarana, omaly, rehefa naharitra roa andro ny fihaonambem-paritra ho an’Antananarivo karakarain’ny FFKM, etsy amin’ny FLM Ambatovinaky. Voaresaka ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Mizaka ny zom-pirenena malagasy, olon’ny fahamarinana, mahay mihaino…”, hoy ny sasany amin’ireo mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny tokony ho kandidà amin’ny fifidianana. Notakin’izy ireo koa […]

Fifidianana filoham-pirenena : 200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina

200 tapitrisa Ar ny fandraisana anjara amin’ny fanontana bileta tokana, araka ny tolo-kevitry ny Ceni, tamin’ny fanapahan’ny governemanta teny Mahazoarivo, afakomaly, momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tamin’ny 2013 no nisy fanovana farany izany, izay 50 tapitrisa Ar. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany. Ny alarobia 20 desambra ny fihodinana […]

Namearison Robert : “Mbola hiverina ny tsy fetezana noho ny tsy fanatsarana ny lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, tsy misy fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Manahy ny fiverenan’ny tsy fetezana teo aloha ny KMF/Cnoe. Fanehoan-kevitra sy fanazavana… “Mbola hiverina izany ny tsy fetezana hatramin’izay, fa tsy nohatsaraina ny lalàm-pifidianana. Mbola hiampy tsy fetezana vaovao…” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, momba ny fiatrehana […]

Fivoahan’ny datim-pifidianana : mbola nametraka fepetra ny mpamatsy vola

Mbola ampahany ihany ! Anisan’ny fepetra notakin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika ahafahana miroso amin’ny fifidianana ny famoahan’ny fanjakana ny datim-pifidianana. Efa nampahafantarina, omaly, izany. Mbola maromaro ny teboka hafa ilan’ny vahiny sy mbola anarahany maso ny zotran’izany. Antoka ahazoana fanampiana eo amin’ny vola izany na mbola mijanona ho fampanantenana fo­tsiny ihany aza ilay […]