Nivaly ny fangatahana ary ho raikitra ny fifidianana ! Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia fa hanohana antsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène fa hanampy antsika amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpiara-miombon’antoka eo amin’ny vola sy ny teknika (PTF). “Vonona hanome vola 2 tapitrisa Euros […]
Politika
Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahemotra ny fahatongavan’ny minisitra Colonna
Tsy mbola ho ato ho ato indray. Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fotoana hitsidihan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Frantsay, i Catherine Colonna eto amintsika. Tokony higadona eto Magagasikara rahampitso izy saingy tsy raikitra indray izany. Tsy voalaza mazava ny anton’ny fanemorana izany raha efa nikasa ny ho avy […]
Toamasina: mpiasan’ny kaominina voaheloka higadra
Nohelohin’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava hamita sazy 5 taona, asan-terivozona am-ponja, i Zara Germain. Namoahana didy fampisamborana koa izy noho ny tsy nanatrehany ny fotoam-pitsarana, ny herinandro teo, tao Toamasina. Tokony ho efa niditra am-ponja ny volana febroary 2022 ity mpiasan’ny kaominina ity noho ny hosoka nefa mbola […]
Grand Sud Est: “Betsaka ny zavatra tsy mandeha eto »
Niresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ireo zanaky ny grand sud Est, omaly.Mitaky ny hamahana ny olana eo am-panajana ny lalàna velona izy ireo. “Betsaka ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto amin’ny firenena”, hoy ny mpitondra tenin’ny fikambanana, Vanovason Jean Adrien. “Tsy misy tohiny […]
Andriamalazaray Andoniaina: “Aleo miala izahay Ceni rehefa tsy hahatanteraka fifidianana”
Voatsikera hatrany ny Ceni… Na izany aza, ataony ny asany. “Aleo miala izahay Ceni rehefa tsy hahatanteraka fifidianana”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Fanazavana… “Rehefa hitanay hoe tsy tanteraka ny asa andrasana sy ampanaovina anay, na tsy mendrika ny fitokisan’ny olona izahay: mametra-pialana na miala no tsara […]




