Vonona ny hifampitana amin’ny kandidà hafa ho filohan’ny Repoblika, ny mpanorina ny antoko HVM. “Nahavita be isika”, hoy Rajaonarimampianina Hery. Nihaona tamin’ireo mpomba azy teny an-tanindrazany, eny Sabotsy Namehana, ny sabotsy teo, ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Nambarany tamin’izany ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena. “Misy antony matoa miverina an-tanindrazana […]
Politika
Minisitry ny Fitsarana : “Na ny fanjakana aza azo torina”
“Tsy misy ny ambonin’ny lalàna, fa na ny fanjakana aza azo toriana”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tany Mahajanga, omaly. Tamin’ny lanonana nametrahana ny filohan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana, Rabehaja Mirindra, no nanambarany izany. Nohamafisiny fa tsy mitanila ny fitsarana, malalaka amin’ny asany, mitsara […]
Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy maintsy ahitam-bahaolana ny delestazy”
Nitondra fanazavana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, afakomaly. Noresahany ny politika sy ny sosialy. Niaiky ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ ny fahitalavitra iray izay mbola naverina tamin’ny TVM/RNM, omaly, fa sorena ny vahoaka manoloana ny delestazy […]
Gazety boky Politikà : mamakafaka ny resaka Tetezamita
Nivoaka, omaly, ny gazety boky Politikà, andiany faha-31, iandraketan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES Madagascar). Miresaka lafin-javatra maro misy eto amin’ny firenena ny votoatin’ny lahatsoratra ao anatiny. Nosafidiana manokana ny famoaboasana mikasika ny Tetezamita. “Tsapa fa miverina foana matetika io teny io, indrindra rehefa fotoam-pifidianana sy tranga politika toy izao”, hoy ny tonian-dahatsoratry […]
Andriatsizehena Benja Urbain: “Ahitsy ny lalàm-pifidianana, ovaina ny governemanta”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko RPSD. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain (Bebain) fa tokony hirosoana ny fifidianana. Nametraka fepetra anefa izy ireo. “Kitihina sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana. Ovaina ny mpikamban’ny governemanta hitantana ny fifidianana. Mba tsy hitanila na hiandany ireo minisitra voatendry. Vonona ny […]




