Namoaka ny toromarika faramparany ny eo anivon’ny Ceni, ankoatra ny fidinana ifotony ataon’ireo eo anivon’ny birao foibe. Nambaran’izy ireo fa efa naverina eny anivon’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy nofaranana ny 10 jona lasa teo. Na izany aza, mbola mitohy hatramin’ny 6 jolay ho avy izao ny fotoana ahafahan’ny olompirenena, […]
Politika
Fifanatrehana tsy tanteraka : mifanilika ny governemanta sy ny Antenimierampirenena
Samy milaza ho tsy tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatanterahan’ny fifanatrehan’ny roa tonta, ny 30 jona teo, na ny solombavambahoaka na ny governemanta. Tsy avy amin’ny solombavambahoaka ny tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana ny governemanta. Io ny fanamarihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, ny faran’ny […]
Antenimierampirenena : tsy voaongana ireo depiote telo ao amin’ny birao maharitra
Nitsefotra ! Tsy tratra ny fetrisa,101, tamin’ny latsa-bato tokony hanonganana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimiera. Voatana amin’ny sezany izany ny filoha lefitra, ho an’ny faritanin’i Toliara, Rabenirina Jean Jacques sy ny an’ny faritanin’i Fianarantsoa, Razafintsiandraofa Brunelle. Mbola eo amin’ny toerany koa ny kestora III, Rabeniriana […]
Antson’ny Praiminisitra : “Aoka tsy hovakin’ny politika ny tafika”
Nifarana, omaly, ny fivorian’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika, natao teny Soanierana. Nisy ny antso avo nataon’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, tamin’izy ireo. Nambarany tamin’izany fa miaina anaty tontolo fanomanana ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Efa hita taratra sahady ny fihetsiketsehan’ireo mpanao politika, ka nankahery ireo tomponandraikitry ny filaminana rehetra […]
Toe-draharaham-pirenena mihamafana : miantso fandraisana andraikitra ny Fiarovam-pirenena
“Hiatrika fifidianana isika ato ho ato. Mihamafana ny toe-draharaha amin’izao. Mba tsy hilazana hoe mihamahamay… Mila fandraisana andraikitra lehibe isan’ambaratonga izany. Koa aza miraviravy tanana.” Io ny antson’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny fanombohana ny fivoriana iarahan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika malagasy, teny amin’ny Cemes Soanierana, […]




