Politika

Filoha Rajoelina teny Itaosy : “Tsy hisy hahasakana ny ezaka ataontsika”

Teny Itaosy indray ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny hampandrosoana ny firenena sy ny fikaroham-bahaolana ho an’ny eny Atsimondrano. “Tsy hanaiky isika raha tsy mandroso i Mada­gasikara. Tsy hisy hahasakana ny asa sy ny ezaka ataontsika”, hoy izy, tamin’ny fitokanana ny ivontoerana hiadiana amin’ny zava-mahadomelina (Ofnalat), eny […]

Kaominina Toamasina “Suburbaine”: naaton’ny mpanolotsaina ny ben’ny Tanàna

Vaky ny ady eo amin’ny samy mpiray donakafo eo anivon’ny antokon’ny filoha TGV/Mapar. Voakasik’iza­ny ny ao amin’ny kaominina manakaiky ny Renivohitra na i Toamasina “Suburbaine”. Nandray fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana ny filankevitry ny Tanàna ao an-toerana, ny talata teo. Nampia­toana ny ben’ny Tanàna, Ba­rison Charles. Nandatsa-bato miafina ny mpanolotsaina di­my […]

Tatitra tamin’ireo mpamatsy vola: nahavita CSB miisa 104 ny fanjakana

Nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Notanterahina teny Iavoloha, ny talata teo, nanaovany tatitra ny zava-bita. Nisy ny jery todika momba ny fiaraha-miasa. Ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireto. Nambaran’ny Filoha fa na­nao ezaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. […]

Antenimierampirenena: raikitra ny fanonganana ny birao maharitra

Tafapetraka, afakomaly, ny fangatahana fanesorana mpitantana vitsy ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Ho fantatra anio ny ho tohin’izany. Raikitra! Natolotra ny seketera jeneralin’ny Antenimierampirenena, afakomaly, ny taratasy fanonganana mpikambana efatra amin’ny birao maharitra ao Tsimbazaza. Tompon-kevitra ny depiote telo avy amin’ny IRD. Anisan’ny haongana ny filoha lefitra ho an’ny […]