Politika

MMM – Fitoriana tany Fianarantsoa : “Mifanohitra amin’ny lalàna momba ny HCC ny didy”

Nivaly, afakomaly ny fitorian’ny antoko Malagasy mi­ara-miainga nanoherana ny fandrarana hanao hetsika politika. Nitondra fanazavana momba izany didim-pitsarana izany ny birao politika, ny Me Rakotomalala Rija. “Mampa­metra-panontaniana ny mom­ba ny fampiharana io didim-pitsarana io. Hita tsotra izao fa mifanohitra amin’ny La­làmpano­re­­nana, lalàna fototra iorenan’ny Repbolika. Mifano­hitra amin’ny lalàna momba ny […]

Famerenan-kasina ny firenena sy ny vahoaka: hivory sy haka fanapahan-kevitra ireo oloben’ny foko

Hifamotoana eny amin’ny Fifakri Ilafy, manomboka ny 2 hatramin’ny 5 mey izao, ireo olobe avy amin’ireo foko manerana ny Nosy. Handinika ny raharaham-pirenena izy ireo amin’izany ary haka fanapahan-kevitra. Anisan’ny hiompanan’ny dinika ny hananganana ny Antenimi­eran’ny foko. Nambaran’ny mpikarakara, Rakotondrasoa Noel fa tsy tompon-tanindrazana sy tsy manan-jo amin’ny taniny intsony […]

Fiombonana: “Mety hiova ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza”

“Mety hisy fiovan-javatra eo anivon’ny Antenimieram­pi­renena amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany izao; eny, na tsy mihetsika aza ny fitondram-panjakana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny an­toko Fiombonana, Retogniane Dur­lin. Hita ireny depiote miova ankolafy ireny, ary mety misy ny fiforonana fiarahana manohitra ny fitondrana. Hita misy an’izany eny anivon’ny parlemanta. Hangotraka ny zavatra […]

Ady amin’ny kolikoly aty Afrika : nahavita ny fianianany Razafimandimby Tsiry

Nahavita ny fianianany tamin’ny fihaonambe faha-43-n’ny filankevitry ny Vondrona Afrikanina miady amin’ny kolikoly (AU-ABC) ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry Harivelo. Natao ny 25 avrily tany Arusha-Tanzania amin’izao fihaonambe hifarana ny 29 avrily izao izany. Mpikambana vaovao voafidy tamin’ny fihaonambe faha-42 ny volana febroary […]