Politika

Fanahimanana Tiaray: “Tsy mbola tara ny famoahana datim-pifidianana”

“Araka ny lalàmpanorenana sy ny And 51 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, manana 90 andro alohan’ny fifidianana farafahakeliny ny governemanta haka didim-panjakana manaika ny mpifidy”, hoy ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, teny Antaninarenina, omaly. Voalaza amin’izany koa fa miankina amin’ny vinavina natolotry ny Ceni ny da­tim-pifidianana hatao amin’ […]

Andriamanana Nivoarivony: “Ilaina ny olom-pirenena tomponandraikitra tsy ho voarebireby sy asavorovoron’ny politika”

Mby aiza ny fiatrehana ny fanomanana fifidianana amin’izao? Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony: “Mila miova ny toe-tsaina, mila manana finiavana sy sahy mijoro ary miatrika… Izay no mpisehatra olom-pirenena tomponandraikitra mba tsy ho voarebireby sy asavovoron’ny politika.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]

Minisitra Yvette Sylla : nandray ambasadaoro roa

Nandray ambasadaoro roa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, afakomaly, tetsy Anosy. Teo ny masoivohon’i Italia, Paolo Cuculi. Hiasa eto amintsika fa hipetraka atsy Afrika Atsimo. Efa nisahana andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny italianina ny tenany nialoha ny nanendrena azy ho ambasadaoro aty Pretoria, ny taona 2019. Voaresaka teo amin’ny […]

Fepetra famoriam-bahoaka : manaitra ny HCC ny MMM

Tsy nipetra-potsiny. Na­nao fanambarana teny amin’ny foiben-toerany eny Anke­rana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, oma­ly. Anton’izany ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Atitany, mandrara ny fivoriana sy hetsika politika ankalamanjana, ankoatra ny hetsika politika karakarain’ny fanjakana. Eo koa ny nanakanan’ny sefo distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasain’ny MMM hatao, ny zoma teo, […]