Politika

ONG Tolotsoa: “Misy ireo tsy tokony ho kandidà…”

“Ho an’ny mpirotsa-kofidina, rehefa mampindrana fahefana ny tena ny olom-pirenena: lasa mpampiasa izy, satria izy no nanome asa ny tena. Manan-jo hanara-maso ny asan’ny tena izy amin’ny maha mpampindrana fahefana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny tom­ponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Mia­dana Fabien Privat, momba […]

Tolo-dalàna momba ny fifidianana : manantena ny parlemanta ny vondrona Panorama

Naneho ny heviny manoloana ny hiatrehana ny fifidianana ny eo anivon’ny vondrona Panorama. Anisan’izany ny tokony hijerena ny lalàm-pifidianana. «Ho anay, tsy fifidianana aloha no mahamaika fa ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ka eken’ny rehetra? Samy mieritreritra avokoa ireo anivon’ny parlemanta, izay mpanao politika avokoa», hoy ny mpandrindra […]

Fifidianana filoham-pirenena : vonona ho kandidà ny depiote Masy Goulamaly, raha ilaina izany

Iza izy ? Ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc. Manambady ary ma­nan-janaka efatra. Anisan’ny sakafo tiany ny haninkontrana : katsaka, vomanga, mangahazo. Eo koa ny anana sy ny angivy. Fialamboliny ny mikarakara ireo voninkazony. Anisan’ny fanatanjahantena tiany ny “Ping-pong”. Tia ny gadona sy hira klasika, ny beko sy tsinjake, […]

Ravalo tao Ambanja: “Hajaina ny fenitra demokratika”

Nitohy tany Ambanja ny dian’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nentaniny hatrany hanamarina ny anarany na hisoratra any amin’ny fokontany ireo mpifidy. Noha­zavainy koa anefa ny momba ny fifidianana. “Efa manana vahaolana hampiharina ao­rian’ny fifidianana isika, manoloana izao manjo ny firenena izao. Hajaintsika anefa aloha ny fenitra demokratika sy […]

Fandraisan’ny filoha Rajoelina ambasadaoro telo : hanohana ny angovo i Italia sy Espana ary Norvezy

Nandray ny taratasy manendry ireo ambasadaoro telo teny Iavoloha ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’i Italia sy Espana ary koa ny fanjakana norvezianina. Anisan’ny noraisin’ny filoha tamin’izany ny masoivoho vaovaon’ny fanjakan’i Espagne, Rai­mundo Robredo Rubio. Ani­san’ny fiaraha-miasa noresahana ny hanatsarana ny fifandraisana. Eo ny sehatry ny […]