“Inona moa no antony hanaovana an’izany fitondrana Tetezamita izany? Tsy misy krizy politika eto amintsika”, hoy ny avy amin’ny vovonana C’Lera, ny depiote voafidy tany Morafenobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugène, momba ny fivoizana ny fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita. Raha avy amin’ny fitondrana tokoa ny fivoizana Tetezamita, midika […]
Politika
Fahafenoan’ny fonja : hisy ny paikady vaovao ho an’ny famonjana
Tsy maharaka ny filàn’ny voampanga intsony ny fonja eto Madagasikara, indrindra ny ao Antanimora. Efa maro loatra ary mihoatra ny tokony ho izy ny isan’ny voafonja ao amin’ity fonja ity. Misy ny paikady vaovao momba ny famonjana aroson’ny minisiteran’ny Fitsarana entina mamaha izany olana izany. Tanjona ny hampihenana ny isan’ny […]
Rakotomavo José : “Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony no vahaolana maharitra”
Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny “Vondrona Antanimena” izay nikarakara fihaonambe momba ny fampihavanana sy fanorenana ifotony teny Antenimena, taona 2014, Rakotomavo José: “Vahaolana maharitra no ilaina: fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Tsy azo ekena ny Tetezamita”
“Aminay, filam-boatsihary ny filazana hoe tokony hanaovana fitondrana Tetezamita izany satria, hono, misy krizy. Tokony hanao fitondrana Tetezamita avokoa izany ny firenena maneran-tany, satria mandalo krizy sosialy sy toekarena. Tsy any ny resaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Samy niaina ny fiainam-pirenena teto isika hatramin’ izay. Izany […]
Lisitry ny mpifidy : mbola hisy fitsirihana farany
“Aorian’ny 31 mey, hamoaka ny rejisitra izay azo lazaina hoe lisitra farany ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny famaranana ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa ireo nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa, namaranana ny fandraketana amin’ny ordinatera nahazoana namoaka ny lisitra vonjimaika: […]




