Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ny antso avo efa nataony ho an’ireo mpitsara. “Tsy maintsy halavirintsika ny kolikoly, ary aoka samy hanatanteraka izany”, hoy izy tany Maroantsetra, ny herinandro teo. Anisan’ireo niatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana, i Maevazaka Josie Thérencia, ny tenany. Notsiahiviny […]
Politika
Fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimiera: nitaky fanatsarana lalàm-pifidianana ireo fiarahamonina sivily
Tonga teny Tsimbazaza, omaly, ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena maromaro, nihaona amin’ireo depiote. Nitondra ny heviny manoloana ny filohan’ny Antenimierampirenena ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izy ireo. Anisan’izany ny momba ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny hanalavana ny fe-potoanan’ny propagandy. Eo koa ny hamerana ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. “Nomenay sy nalefa […]
Kaominina Toamasina : nohadihadian’ny Bianco
Nanokafan’ny eo anivon’ny Bianco fanadihadiana ireo sampan-draharaha maromaro eo anivon’ny kaominina Toamasina. Voalaza fa anton’izany ny fanahiana kolikoly niainga amin’ny fitarainan’ireo manao raharaha ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Eo koa ny ahiahy amin’ny mety ho fanodinkodinam-bolam-panjakana ary fanaovana hosoka eo anivon’ ity kaominina ity. Sesilany ny taratasy fiantsoan’ny Bianco ireo […]
Collectif Task force : “Tsy azo ekena ny fambolena korontana”
Hentitra ary nahitsy ny fanambarana. “Melohinay tanteraka , amin’ny endriny rehetra, ny paikady hambolena korontana mba tsy hirosoana amin’ny fifidianana malalaka sy iraisan’ny rehetra”, hoy ny eo anivon’ny Collectif Task Force, ahitana ireo fikambanana samihafa sy olon-tsotra any Eoropa, omaly. Nanterin’izy ireo ny fanohanana tanteraka ny filoha Rajoelina Andry sy […]
Fikaonandoha: mitaky ny tetiandro ny G5
“Mitaky ny G5 sy ny vondron-kery rehetra nivory teto mba handraisain’ny fitondram-panjakana andraikitra amin’ny famoahana tetiandro hanatanterahana fikaonandoham-pirenena miainga any ifotony”, hoy ny mpitondra tenin’ny G5, Razanakoto Marcellin, nilaza ny fehinkevitry ny G5, taorian’ny fivoriana nikaton-trano, teny Antanimena, ny herinandro teo. Manome ny fanjakana fe-potoana 15 andro, hamaliany ny fitakiany […]




