Tsy fifanomezan-kasina sy lonilony mbola mitoetra ? Vitsy ny depiote manatrika ny tatitr’ireo minisitra isan-tokony, mifandimby eny amin’ny Antenimiera, Tsimbazaza. Tsy hita popoka hatramin’ny mpanohana ny fitondrana. Miisa 4, 10, 18 na mihoatra kely ireo depiote hany manaraka ny tatitra ataon’ireo minisitra, nanomboka, afakomaly. Miisa 48 ireo betsaka indrindra tamin’ny […]
Politika
Fiatrehana fifidianana : Ranolava ny fijoroan’ireo fikambanana
Efa mametrapetraka ny paikady politika mialoha sahady ireo etamazaoro politika any amin’ny faritra Atsinanana. Nampahafantatra ny fijoroany ireo fikambanana telo samy hafa, eto Toamasina tao anatin’ny herinandro, amin’izao hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Araka izany, notsofin-drano ny 14 mey, tamin’ny alalan’ny fomban-drazana ny vovonana “Plate-forme Ndao kea”. Ivondronan’ireo fikambanana […]
Tatitry ny praiminisitra teny Tsimbazaza : nampiakarina ny tambin-karaman’ny sefo fokontany
Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny tatitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Tsimbazaza, nanoloana ireo depiote, ny momba ny fitantanana eny ifotony. Anisan’izany ny fampiakarana ny tambin-karaman’ny sefo fokontany ho 60.000 Ar raha 20.000 Ar ho an’ny lefiny. Mitohy hatrany koa ny famatsiam-bola ho an’ny faritra mba hanatanterahana fotodrafitrasa ka mitentina 2 […]
Fepetra momba ny lavanila : manahy fitaka ny depiote Siteny
Niverina tany Sambava indray, iray volana aty aoriana, ny Mihava Tour, ahitana ireo depiote maromaro, tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy harahi-maso ny fizotry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana satria ahitana fitaka. Antony iverenanay aty izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanambakana ny tantsaha, manoloana ireo fepetra noraisin’ny fanjakana […]
Fomba fiasa : nohelohin’ny MMM ny tsy fangaraharan’ny Ceni
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Nohitsin’izy ireo tamin’izany ny tsy fahitan’izy ireo taratra ny finiavan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny asany amin-kitsim-po sy am-pahamarinana. “Helohinay ny fiziriziriana amin’ny fomba fiasa tsy mangarahara sy ny tsy fanajana lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy misokatra […]




