Miova sata, miova andriana. Hanana ny fomba fiasany manomboka izao ny eo anivon’ny fitsarana, etsy Anosy. Napetraka ny laharam-pahamehana. “Haverina ny fiandrasan-draharaha isaky ny sabotsy eo anivon’ny fampanoavana. Mba hialana amin’ny fanalavana lavareny ny fihazonana olona atao fanadihadiana savaranonando eny anivon’ny polisy na ny zandary, ka mahafeno ireo toerana fitanana […]
Politika
Fehin-kevitry ny IDC-CDI : “Atsaharo ny fandikan-dalàna sy ny sakantsakana”
Miantso ny governemanta hampitsahatra ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana momba ny fahalalahana mivory ny “Internationale démocrate centriste – IDC CDI”, tamin’ny fivoriambe nataon’izy ireo, tany Bled Slovénie. Hentitra izy ireo ny amin’ ny hanajana ireo lalàna sy fepetra rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana. “Atsaharo ny fandikan-dalàna. Antoka ahatongavana amin’ny fifidianana malalaka, […]
SMM : “Tsy natao hobaikoina ny mpitsara”
“Fanairana no nataonay ary miteny hatrany izahay, rehefa hitanay hoe tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy tokony hotsabatsabahina ny mpitsara. Izay no maha mpitsara ny mpitsara. Tsy natao hobaikoina, indrindra ny mpitsara mpamoaka didy”. Io indray ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbitanarivo. Efa nisy ny fanambaran’ny sendikà, namakiana bantsilana ny fitsabatsabahana […]
Diosezin’i Morondava: voatendry ho eveka mpanampy Rakotojaona Jean-Nicolas
Notendren’ny papa Fransoa, tamin’ny 19 mey lasa teo, ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava ny pretra Rakotojaona Jean-Nicolas, izay pretra diosezianina avy amin’ny diosezin’ Antananarivo. “Misaotra an’ Andriamanitra ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara amin’ny nanendreny sy nanomezany mpiandry ondry vaovao, ny Mgr Rakotojaona Jean-Nicolas, izay ho eveka mpanampy ao […]
Antoko Liaraike : miantso ny filoha ho kandidà i Kaleta
Notanterahina tany Amboasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo, ny kongresy nasionalin’ny antoko Liaraike. Nohamafisin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo tamin’izany ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana sy hanaovana antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika. “Miangavy sy mangataka anao izahay mba hilatsaka hofidianana ho filoham-pirenena ka hanohy ny asa marobe efa natombokao”, hoy ny filoha nasionaly, […]




