Politika

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny tetibola”

“Ny fanitsiana tetibolam-panjakana halefa eny amin’ny Antenimiera, inoanay depiote maro anisa fa hifantoka bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy misy fiantraikany mivantana amin’ny ativilanin’ny vahoaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Mia­rinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, momba ny tsy maintsy hisian’ ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023, amin’ izao […]

Famerenan’ny filoha ny zotra an-dalamby FCE : “Hitondra tombontsoan’ny vahoaka ny asantsika”

Nitohy, omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tao Fianarantsoa. Nosantarina tamin’izany ny famerenana indray ny zotra an-dalamby. Hiverina hiasa ny volana jona izao ny zotra an-dalamby FCE, ham­pitohy an’i Fianarantsoa sy i Manakara. “Hitondra tombontsoa ho an’ny toekarena sy ny fihariana izany rehefa niato. Hampiroboroboana ny fizahantany koa izany… […]

KMF/Cnoe : “Mila fakan-kevitra ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, mbola re­saka tsy vita na mahabe adihevitra ny amin’ny lalàm-pifidianana? “Inona no tian’ny mpanoratra hahatongavana?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny hoe fandinihan’ny governemanta ny amin’ny volavolan-dalàna momba ny lalàna fehizoro lah. 002-2023/PL izay manitsy sy mameno ny fepetra sasany ao […]

Bianco – Toamasina: ben’ny tanàna roa teo aloha nohadihadiana

Nanao ranolava, mivoaka miditra ny biraon’ny Bianco, tao anatin’ny telo herinandro izao, ireo mpiasa maromaro eo anivon’ny kaominina Toa­masina. Anton’izany ny fanahiana ny firongatry ny kolikoly sy ny fanaovana hosoka ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Anisan’ny efa voaantso teny anivon’ ity sampandraharaha mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly ity ny […]