Politika

Antoko MMM: “Tsy ilaina ny Tetezamita… Aleo hadio ny fifidianana”

Nitohy tany Alaotra Mangoro indray ny famelabelaran-kevitra sy fihaonan’ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny vahoaka, ny herinandro teo. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany ny hevitr’izy ireo, momba ny raharaham-pirenena. «Tsy ilaina ny fametrahana fitondrana Tetezamita. Ny fifidianana no tokony hatao ny hampadio azy ahafahan’ny filoha vaovao eo mampandroso ny firenena», […]

Fitsarana Anosy : enina ny didy hosoka hita tao anatin’ny iray volana

“Hitanay tamin’ny volana lasa teo fa miverina indray ny fisiana didim-pitsarana hosoka maromaro tonga eto anivon’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo”. Io ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany (I), Antananarivo, ny Me Heri­natrehana Inham Ella, teny Ano­sy, omaly. Mamanafy izany ny fisiana didim-pitsarana hosoka enina voarain’izy ireo. Entaniny, araka […]

Vovonana AMM : « Mila mifanome tanana ny rehetra » hoy i Masy Goulamaly

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kalotody Mandro­seza, ny fijoroan’ny vovonana Avotantsika Miaraka i Mada­gasikara , AMM. Araka ny maha vovonana azy, fikambanana maromaro no handrafitra izany. Mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana ny vovonana ka ny solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc no mitarika izany. Tanjon’ny […]

Fifanatrehana eny Tsimbazaza : ho adinin’ireo depiote tsirairay ireo minisitra

Hihaona amin’ny solombavambahoaka, eny amin’ny antenimierampirenena Tsimbazaza, ny minisitra, hanao ny tatitry ny zava-bita sy ny zava-misy. Mahakasika ny lalana sy ny sosialim-bahoaka ary ny fitantanam-bola no tena hisongadina ao anatin’izany. Hafampana! Hanom­bo­ka ny 24 hatramin’ny 31 mey, ny tatitry ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, eny Tsimbaza­za. Hanao tatitra tsirairay […]

Fiaraha-miasa: arovan’ny COI ny sisin-dranomasina

“Tsy maintsy miaro ny morontsiraka isika, fa amin’ireny faritra ireny no ivoahan’ny harentsika ka tsy maintsy atambatra ny hery. Maro ireo efa voasazy noho ny fandikan-dalàna”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Yvette Sylla, nanazava ny amin’ny fivoriana faha-37 nataon’ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Vao­mieran’ny Ranomasimbe In­dianiana (COI), […]