Mandinika ny zava-misy rehetra mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ny «Apostolat social et écologique» (ASE) ao anatin’ny fikambanan’i Jesoa, eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanomboka omaly, etsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny telo andro anatanterahan’izy ireo ny andro sosialy. «Fifidianana, filaminana sy fandriam-pahalemana» ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity. «Mitady hisy tsy […]
Politika
Fidinana ifoton’ny Ceni : nisitraka ny tambin-karamany ireo mpanisa mpifidy
Nitohy, omaly, tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny fidinana ifotony tanterahin’ ny eo anivon’ny Ceni. Nanome toromarika sady nizara ny tambin-karaman’ireo nisahana ny fanisana mpifidy izy ireo tamin’izany. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny “CLRE”, eny amin’ny fokontany sy ny kaominina “CEC”, niainga avy amin’ny volavola eo anivon’ny birao maharitry […]
Masoivohon’i Grande Bretagne: nomarihina ny fanosorana ny mpanjaka Charles III
Nomarihina teny amin’ny Park Alarobia, omaly alina, ny fanosorana ny mpanjaka Charles III. Niara-nanamarika izany ary tonga marobe ireo solontenam-panjakana sy ireo avy amin’ny masoivoho vahiny ary ireo mpanao politika eto amintsika. Samy niarahaba sy nirary soa amin’izao tantara manamarika an-dry zareo Britanika izao ireo rehetra nasaina tamin’izany. Tsiahivina fa […]
Fivorian’ny Antenimiera: Banga ny seza eny Tsimbazaza
Miverina indray ny vangabao ataon’ireo depiote amin’izao fivoriana ara-potoana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izao. Banga ny ankamaroan’ireo seza, hatramin’ny nanombohan’izany fotoam-pivoriana, herinandro lasa izay. Tsy nihoatra ny 30 amin’ireo depiote miisa 151 izao ireo nandany ny lahadinika, natao ny herinandro teo iny. Tsy nisy ny taratasy ara-dalàna maneho ny fialantsiny […]
CUA sy ny boriborintany: hohamafisina ny fahaiza-manao
Notanterahina ny 9 sy 10 mey teo, tetsy amin’ny trano fivorian’ny biraon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny atrikasa momba ny drafitra fanamafisana fahaiza-manao « Plan de renforcement de capacité ». Iarahana amin’ireo eny anivon’ny boriborintany enina izany. Miisa 11 ireo drafitra nodinihina nandritra ny roa andro ho an’ireo fitaleavana dimy ao […]




