Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny tetezamita sy ny mpirotsaka hofidina ho filoham-pirenena. “Tsy mahasoa ny firenena ny tetezamita, fa ny fifandimbiasam-pahefana demokratika ihany. Tsy hitanay ny antony tsy hidirana amin’izay fifandimbiasam-pahefana demokratika izay”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny […]
Politika
Tsaranazy Jean-Emile : “Ilaina ny tetezamita… “
“Ao anatin’ny antoko Arema aho. Ny fahitan’ny Arema azy: tokony hisy ny tetezamita, raha tsy vita ao anatin’ny fe-potoam-piasan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao ny fanovana ny lalàm-pifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny Jly Tsaranazy Jean-Emile. Azo atao izay fanovana lalàm-pifidianana izay amin’izao fivoriana ara-potoan’ny parlemantera izao. Ilaina ny fitondrana tetezamita, raha […]
Fiaraha-miasa : noderain’ny FMI ny filoha Rajoelina Andry
Nidera manokana ny fitondram-panjakana sy ny filohan’ny Repoblika ny talen’ny departemanta Afrika, eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, i Abebe Selassie, teny Iavoloha, ny fiandohan’ny herinandro teo. Anisan’izany ny nahatanterahan’ny fanjakana ireo asa marobe na teo aza ny valanaretina. Notsindriny koa anefa ny tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka momba ny fampandrosoana […]
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Ny fanaovana tsinontsinona izay tena tokony hiainana no mampahantra”
Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Maneho ny heviny ny olom-pirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Ny fanaovan’ny hafa tsinontsinona izay tena tokony hiainan’ny Malagasy no mampahantra.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Omena fitenenana ianao olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina ny amin’ny fahitanao ny toe-draharam-pirenena amin’izao? Anjaramanantsoa […]
FES : Liana sy te hisehatra amin’ ny tontolo politika ny tanora
Notontosaina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso, omaly, ny fandaharanasa nokarakarain’ny FES (Friedrich-Ebert-Stiftung). Nahafahana nanao vela-kevitra sy dinika lehibe ho an’ny tanora. Fotoana nahafahan’ny tanora naneho ny heviny mikasika ny zotram-pifidianana sy ny tontolo politika eto Madagasikara. «Efa manomboka liana sy te hisehatra eo amin’ny tontolo politika misy eto Madagasikara ny tanora […]




