Politika

Fiarovana ny sisin-tany sy ny mpandeha : nanamafy fiaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF

Nanao soniam-piaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF. Mba hahafahana manatsara ny fitaterana an-dranomasina. Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sam­pan­draharaha miandraikitra ny Seranan-tsambo ary ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) sy ny Tafika Malagasy. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena Ampahibe ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Miompana amin’ny […]

Fifidianana : vonona hanampy ny UE

Ny fepetran’ny Vondrona eoropeanina (UE): arakaraka ny vola eo an-tanan’ny fiombonambe iraisam-pirenena no ha­ha­zoany mandray anjara amin’ ny fanampiana. Izay ny nambaran’ny ambasadaorony, i Isa­bel­le Delattre, tamin’ny fanombohana ny herinandron’ny Von­drona eoropeanina teny Ankorondrano, afakomaly. Vonona hanampy ry zareo amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hihena anefa ny fanampiana. Tsy toy ny […]

Fikarakarana fifidianana : hisy fitsirihana farany ny lisitry ny mpifidy

“Mbola hisy ihany ny fa­ha­zoana manao fanamarinana faharoa aorian’ny 31 mey ho an’izay vao nisoratra anarana vaovao taty aoriana. Izay ilay hoe fitsirihana faharoa. Saingy fohifohy ihany ny fe-potoana hahazoana manao izay.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny famaranana ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy vonjimaika, arakaraka […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Esorina ireo tsy manaraka fepetra”

“Anisan’ny solombavambahoaka tohina aho manoloana ny fanambarana toy ireny. Miantso ny solombavambaho­aka maro anisa namako eo anivon’ny Antenimierampirenena aho hanao ny dingana hanalana an’ireo solombavambahoaka tsy manaraka ny fepetra sy ny lalàm-pitondran-tena mba tsy ho anisan’ny solombavambahoaka intsony.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miari­na­rivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa […]

Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy mihevitra hametraka Tetezamita ny fanjakana”

Mazava ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MKS), Lalatiana Rakotondrazafy. “Tsy mihevitra fitondrana tetezamita izany ny fitondram-panjakana”, hoy izy. “Tsy mihevitra ny hametraka Tetezamita ny fitondrana ankehitriny. Tsy marina avokoa ny resabe tato ho ato”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy mitombina ny filazana ny […]