Politika

Pr Manantsoa Victor : Tompon’antoka amin’ny fampandrosoana ny Malagasy

«Tsy mandroso mihitsy i Madagasikara raha tsy ny Malagasy iray manontolo no miara-mandray anjara amin’ny fampandrosoana», hoy ny minisitra teo aloha, Pr Ma­nantsoa Victor, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Tokony hanana politika sy paikady hampandraisan’andraikitra ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Miain­ga amin’ny alalan’ny fifidianana sy fandraisana anjara amin’ny raharaha maro eto […]

Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy azo ekena ny hametrahana Tetezamita”

“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny […]

Depiote Randrianasolo Nicolas : “Ilaina ny fifampidinihana”

“Inona no manakana ny fitondram-panjakana hiantso ny mpanohitra na ny FFKM hanao fifampidinihana? Tsy tokony hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao an-tsainy ny hoe fizarana seza izay fifampiresahana izay”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randria­nasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy sakanana avokoa ny mpanao […]

Fanazavan’ny Ceni sy ny minisiteran’ny Atitany : “Tsy voamarina ny fisian’ny fokontany matoatoa…”

Niteraka resabe tato ho ato ny momba ireo famoronana fokontany. Tsy misy akory ny resaka lisitra fanampiny, any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ireo zanaky ny faritanin’i  To­liara ny herinandro teo fa tsy mitombina velively ny fila­zan’ireo mpanao politika sasany fa  faritra fanaovana  hala-bato ny any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny famoronana […]