Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Midangana ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana. Noho ny orana nisesisesy izay nitarika fahasimban’ny vokatra sy ny lalana no voalaza ho nahatonga izany. Mivarotra amin’ny fatiantoka ny tan­tsaha satria kely ny fahefan’ny mpanjifa. Vokany, tsy mandeha ny tsena, mihena ihany koa ny fidiram- bolan’ireo tantsaha sy mpamokatra. Miteraka fitohanana […]

Jirama: Hanolo ireo kaonteran-drano mihoatra ny 15 taona

Mampahafantatra ny rehetra ny Jirama fa hatomboka eny Ankadindratombo sy ny ma­no­didina ny fanoloana ireo kaoteran-drano efa antitra, mihoatra ny 15 taona. Tetikasa hana­tsarana ny fisitrahana rano fisotro na PAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tanjona ny hanatsarana ny famatsian-drano eto Antana­narivo sy ny manodidina. Hi­tety ny isan-tokantrano hanao ny asany […]

Toamasina : Miverina tsikelikely ny herinaratra

Mampahafantatra ny mpanjifa ny vondrona Filatex Energy fa efa miasa ny 30% ny famokarana herinaratra vokarin’ny Enelec Toamasina. Efa misy koa ny ampahany fampitana ny herin-jiro any amin’ny tambajotran’ny Jirama, ary mitohy tsikelikely izany. Mampiseho ny fandrosoan’ny asa ara-teknika, hiantohana ny famatsiana herinaratra any Toamasina, tao­rian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany […]

Fambolena : Mahatratra 5,17 tapitrisa isan-taona ny voka-bary

Atao eto Antananarivo, ny 9-12 marsa, ny fivoriamben’ny Vovonana hampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika (Card). Miisa 32 ny firenena mpikambana ka anisany i Madagasikara. Miara-mivory amin’ity andiany faha-21 ity ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka amin’ ny sehatry ny vary. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo aty Afrika sy hampiroboroboana ny fambolem-bary. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 98,44 dolara ny vidin’ny iray barila (1b= 159 l) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly alatsinainy 9 marsa. Tsiahivina fa mbola 68 dolara/b ny vidiny tamin’ny volana feboary 2026 teo. Nidangana tampoka izany raha vao nanomboka ny ady eo amin’i Iran sy Israelianina ampian’ny amerikanina, ny faran’ny volana febroary teo. […]