Toe-karena

Ady amin’ny andiam-balala: Velaran-tany 600 000 ha harovana amin’ity taona ity

Natomboka ny 17 janoary teo, tany Toliara, ny hetsika hiadiana amin’ny andiam-balala ho an’ny taona 2025-2026. Faritra enina no hanaovana azy, hampiasana ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny paikady fanovana (PGE-R) eto amin’ ny firenena. Tafiditra anatin’ izany ny fahaleovantena sy ny fiarovana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamaritra ireo rojom-pihariana stratejika, hamakafaka ireo sakana ara-pamokarana ary hamolavola vahaolana azo tanterahina « ny Dinika ho fanaingana ny toekarena » any amin’ny faritra. Hetsika izay atao manomboka androany ka hatramin’ny 23 janoary, eny amin’ireo renivohi-paritany. Hifanakalo hevitra, mandritra ireo telo andro ireo, ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha, ny […]

Bas Mangoky : An’arivony ny fitaovana nozaraina ho an’ny tantsaha

Mifantoka amin’ny famokarana manaja ny tontolo iainana ny tantsaha any amin’ny lemaka Bas Mangoky, mirefy 25 ha, faritra Atsimo Atsinana­na. Hanatrarana izany, maro ny fitaovana sy masomboly nozaraina, tamin’ny alalan’ny tetikasa « Tefiala », tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirene­­na ho an’ny tontolo iainana (GEF) sy ny FAO, ny 16 ja­noary teo. Nanamafy ny minisitry […]

Airtel : Mpiasa 24 nahomby tamin’ny asany

Miisa 24 ny mpiasan’ny orinasa Airtel Madagasikara nankasitrahina, ny zoma 16 janoary teo. Nomena ny mari-boninahitra « medaly volafotsy arakasa » ny 22, raha medaly ali­mo arakasa ny roa. Natao izany noho ny zava-bita sy ny fahavononana ary ny fandraisan’andraikitr’izy ireo tao amin’ny orinasa. Notsiahivin’ny mpitantanana foibe ny Airtel fa nitondra fampandrosoana […]

Tetikasa RRT/Smart Village : Hanafaingana ny fampandrosoana niomerika

Paikady mahomby hampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny niomerika. Tanjona ny hanapariahana azy hatrany ambanivohitra. Anisan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny hanitarana ny tetikasa Rural Rapid Transformation/ Smart Village, mikendry ny fisitrahan’ny tontolo ambanivohitra ny niomerika. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy […]