Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Navoitran’ny mpitatitra manokana ny haratsian’ny lalam-pirenena RN7, indrindra ny eo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, ny eo Sakaraha hatrany Toliara. Nandritra ny loabarian-dasy ho an’ny fitaterana an-tanety, natao teto Antananarivo, ny talata teo, izany. Fantatra koa fa tsy andoavam-bola ny fiampitana eo amin’ny baka any Ifasy amin’ny RN6. Efa napetraka koa ny […]

Bred Madagasikara: Natsangana ny Tranoben’ny mpandraharaha

Herintaona izao ny nisian’ny banky Bred Madagasikara eto amintsika. Dingana vaovao no nataony satria notokanana, omaly, ny Tranoben’ny mpandraharaha (Maison des entrepreneurs), nantsoina hoe Tranoben’ny PME teo aloha. Vovonana iray entina hanohanana ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny orinasa tsy ankanavaka, indrindra ireo madinika sy salantsalany (PME, TPME) izy io. […]

Andavanandron-dRamalagasy ; Mahantra ny 4/5 ny mponina any ambanivohitra

Miaina anaty fahantrana ny 4 amin’ny 5 ny mponina any ambanivohitra. Nihamafy izany tao anatin’ny 10 taona farany na dia manana otri-kery ara-pambolena goavana aza i Madagasikara. Mafy ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny mponina any ambanivohitra teo anelanelan’ny taona 2013-2022, araka ny tatitry ny fanadihadiana miisa roa navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. […]