Ratsy ny lalana mampitohy ny tampon-tanànan’i Soavinandriana sy ny kaominina Mananasy, tato anatin’ny 25 taona. Faritra mamokatra nefa ny any Mananasy. Sakana ho an’ny toekarena, araka izany, ny haratsian-dalana. Nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, hampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Casef”, hanarenana ny lalana Soavinandriana-Mananasy, mirefy 12 […]
Toe-karena
Fitrandrahana volamena: Sorohina ny fampiasana merkiora
Nanao sonia fifanarahana maro i Madagasikara hitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fanajana ary ny fahasalamana. Nandray anjara tamin’ny fifanarahan’i Minamata, any Japana, ny governemanta malagasy, ny 10 oktobra 2013, ary nankatoavina ny 13 mey 2015. Voarakitra ao ny fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana, ny fiantraikany ratsy […]
Fifamoivoizana : vita ny lalana Fasankarana
Efa nisokatra ho an’ny mpampiasa lalana, nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa teo, ny andaniny sy ny ankilany amin’ny lalam-pirenena RNT58, na lalana Rabetafika. Mampitohy an’ Ankadimbahoaka mandalo ny Fasankarana, hatreny amin’ny Jovena Anosizato ity lalana ity. Vita tanteraka ny fanarenana azy amin’izao fotoana izao, izay efa tena nampitaraina ny mpampiasa […]
Governemanta : tapitra ny fambolen-kazo eto afovoantany
Niara-nientana namboly hazo ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sabotsy 16 marsa teo. Natao teny amin’ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Talata Volonondry, distrika Avaradrano, ny hetsika entina hiarovana ny tanimbary tsy ho kaohin’ny riaka. Misy fifanarahana eo amin’ny primatiora amin’ny kaominina sy ny fokontany, hikarakarana sy […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : fianakaviana 1000 000 kendrena amin’ny Teknika Pfumvudza
Nitsidika ny saha filamatra eny Ambatolampy Tsimahafotsy, hampiharana ny fomba fambolena Pfumvudza, ny filoha, Rajoelina Andry, omaly maraina. Fianakaviana 1000000 no kendrena hisitraka ny fiofanana anatin’ny roa taona. Tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia mampihatra ny teknikam-pambolena Pfumvudza i Madagasikara. Nisy mpiofana ho mpampiofana miisa 30 nalefa tany […]