Anisan’ny nisitraka ny tetikasa Padap ny faritra Analanjirofo. Maro ny fotodrafitrasa vita amin’ny fanajariana ny lemaka sy ny fikarohana lalam-barotra ho an’ny tantsaha. Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 sy ny 29 febroary 2024 teo, tany Vavatenina sy Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo, ny Tetikasa ho an’ny famokarana maharitra mitsinjo ny […]
Toe-karena
Ao anatin’ny 100 andro : volamena 500 kg haondrana ara-dalàna
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanomezan-danja ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny fanadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale). Hisy koa ny fanadihadiana lalina mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny 100 andro. Tanjona, araka izany, ny hanondranana volamena milanja 500 kg amin’ny fomba ara-dalàna mandritra io vanim-potoana io. Noho izany, hentitra ny […]
« TBF -7 » : hampiroboroboana ny fizahantany anatiny
Hatao ny 15-17 marsa ho avy izao ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” (TBF), andiany fahafito. Miara-mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Etsy amin’ny zaridaina an’ Antaninarenina ny toerana hanaovana azy, entina hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, sady hanohanana […]
Base Toliara : Mandroso ny fikarakarana ny fisokafany
Manafaingana ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy, anisan’ny fanoitran’ny fampandrosoana. Mandeha ny fifampidinihana manodidina ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, tao amin’ny televiziona malagasy, ny alatsinainy 4 marsa […]
BNGRC : drafitrasa fiatrehana ny loza voanajahary
Miara-miasa amin’ny governemanta malagasy amin’ny alalan’ny Birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC), ny Rafitry ny firenena Mikambana (SNU), tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ). Tanjona ny hamolavolana drafitrasa, mifototra amin’ny tondro mahakasika ny fitantanana ny fiatrehana ny loza voajanahary (INFORM), araka ny fenitra iraisam-pirenena. Atao eto Antananarivo, mandritra ny roa andro, […]