Notanterahina ny 1 marsa 2024, teny Ihazolava, kaominina Ambohimandroso, ny fambolen-kazo ho an’ny fianakaviamben’ny fadintseranana malagasy. Zana-kazo fihinamboa miisa 2500 no novolen’ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ity departemanta ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjon’ny hetsika ny hanajarina ny velaran-tany 110 h, izay an’ny fadintseranana, ho toeram-pambolena sy […]
Toe-karena
Kitapombolam-panjakana : nampiditra 16 miliara Ar ny makamba
Tsara ny vokatra. Tafakatra hatrany amin’ny 16 miliara Ar ny tamberim-bidy azo avy amin’ny makamba nandritra ny taona 2023 raha toa ka 3 miliara Ar izany ny taona 2020. Nisy ny fanavaozana ireo paikady hampitomboina ny vokatra izay napetraky ny minisitera nanomboka ny taona 2021. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny isan’ireo […]
MEH sy Tozi Green : zana-kazo 13 000 nambolena tany Farahantsana
Natao omaly 1 marsa 2024, teny Farahantsana Mahitsy, ny fambolen-kazo niarahan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny orinasa Tozi Green. Miisa 13 000 ny zana-kazo nambolena. Nitarika ny hetsika ny minisitra MEH, Jean Baptiste Olivier, sy ny filoha tale jeneraly (PDG) ny Tozzi Green, Davide Giachero. Zava-dehibe ho an’ny toby eny Farahantsana […]
Fifandraisan-davitra : azon’ny Telma ny amboara “Ookla 2023”
Manombana ny tanjaky ny internet ny rafitra iraisam-pirenena mahaleo tena Ookla. Ao anatin’izany ny fijerena ny hafainganam-pandehan’ny tambajotra sy ny teknolojia ampiasaina. Azon’ny orinasa Telma ny amboara “Ookla 2023”, manana ny hafainganam-pandeha ambony indrindra eto Madagasikara. Mampiavaka azy ny fahombiazana vitany amin’ny tambajotra, ny fiparitahany manerana ny Nosy, sns. Nahatratra […]
Fanondranana lavanila : hisy rafitra iray hajoro
Hivondrona anaty rafitra iray manan-danja ireo firenena lohalaharana amin’ny famokarana lavanila maneran-tany toa an’i Madagasikara, Ouganda, Papouasie Nouvelle Guinée, Comores. Anisan’ny tombontsoa azo amin’ny fijoroan’ity rafitra ity ny fahamarinan-toeran’ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny seha-pihariana. Ao anatin’izany ny fahitana tsena vaovao […]