Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 2,5 taonina ny lavanila naondran’ny tantsaha avy ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana nankany Alemaina, ny herinandro lasa teo. Fanondranana voalohany nataon’izy ireo, ao anatin’ity lalam-pihariana ity, izany. Nalefa fiaramanidina niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny vokatra. Mitentina 3 087,4 miliara Ar ny totalin’ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara nandritra ny […]

Harena an-kibon’ny tany : misokatra ny « Guichet unique d’exportation »

Nisokatra nanomboka ny herinandro teo, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny «Guichet unique d’exportation». Dingana goavana hanamorana ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, metaly sarobidy ary vatosoa avy eto Madagasi­kara izany. Mivondrona amina toerana iray avokoa, araka izany, ireo sampandraharaham-panjakana […]

Orantsimba : misokatra ny fanjonoana

Niverina nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny fotoam-panjonoana sy fitaterana ary fivarotana orantsimba (langouste) ao amin’ny faritra Anôsy, raha niato nandritra ny telo volana, nanomboka ny 1 janoary. Mahatratra hatrany amin’ny 449,4 kg ny vokatra tonga nandritra ny fanangonana ny antontanisa voaray eny anivon’ireo mpanangom-bokatra. Ankoatra izay, nilaza ny […]

“Women Rock in Digital” : mamiratra ireo vehivavy misehatra amin’ny niomerika

Mihamaro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika (Information technology – IT)). Manampy tosika azy ireo sy mampahafantatra ny tombony azo avy amin’ny fikirakirana izany ny hetsika « Women Rock in Digital ». Fahombiazana. Mahave­lom­bolo sady mivoatra isan-taona ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Tafiditra amin’ny andiany fahadimy ny «Woman Rock in Digital» […]

Orinasa Star: hetsika tontolo iainana sy fahasalamana tany Antsirabe

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, misy ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Hetsika roa no nataony tany Antsirabe, nandritra ny fetin’ny Paka, ny faran’ny herinandro teo, ny 27, 28 ary ny 30 marsa, nifanandrify tamin’ny hetsika ara-kolontsaina sy toekarena, ny Star Tour, fa­nao isan-taona any an-toerana. […]