Hiakatra 0,95 dolara na koa 4 160Ar ny sarany ambany amin’ny tolotra « internet mobile » 1Go manomboka ny 1 aprily. Tsy ara-dalàna intsony ny tolotra amban’io sarany vaovao io aorian’ny daty voatondro tahaka ireo tolotra misy amin’izao fotoana. Mbola latsaky ny 0,95 kosa ny vidin’ny internet mobile eto Madagasikara. […]
Toe-karena
Tsenan’Andravoahangy: mizana 21 sy vato mizana maro nogiazana
Hentitra. Vato mizana manodidina ny 50 isa sy mizana 21 tsy ara-dalàna no nogiazana avy hatrany nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny tomponandraikitry ny tsenan’Andravoahangy sy ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana, ny talata teo. Hetsika izay natao hiarovana ny mpanjifa sy ho fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana samihafa. Mbola miparitaka eny […]
Trafika hazo « pachypodium » : teratany malagasy 3 sy sinoa 1 tratra
Sarona ny tambajotra mpanondrana antsokosoko ny zavamaniry jabihy (pachypodium). Any Azia, indrindra any Japana sy Thailandy ny firenena tena mpandray azy. Tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny karazan-kazo jabihy (pachypodium) miisa 891, ny 5 marsa teo. Teratany malagasy telo sy sinoa no voasambotra tamin’izany, ary notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’i […]
EPP Ivato Village : nisitraka dabilio vita amin’ny fako plastika
Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Nanolotra dabilio vita tanteraka amin’ny fako plastika voahodina ho an’ny EPP Ivato Village, omaly, ny Orinasa Andao Company. Tanjona ny hanova ny fako plastika ho fanaka an-tsekoly lovain-jafy sy hanohanana ny […]
CCI Soisa : fampiroboroboana ny toekarena maitso
Nandalo tao amin’ny Foiben’ny varotra iraisam-pirenena (CCI) any Geneve Soisa, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Fontaine Max Andonirina, ny 22 marsa teo. Nandray azy, ny talen’ny CCI, sampana Afrika, Aissatou Diallo sy ireo tale samihafa ao amin’ity foibe ity. Tanjona tamin’ny fihaonana ny tombana hijerena […]