Toe-karena

Fanjifana solika: Manahirana ny fitadiavana gazoala eto an-dRenivohitra

Mbola misedra olana amin’ny resaka gazoala ireo Malagasy mampiasa izany eto an-dRenivohitra. Milamina tsara kosa ny fanjifana ny lasantsy, saingy tsy dia nahitana akony teo amin’ny fiainanan’izy ireo, ny fiovam-bidy. Mitaraina amin’ny fahasarotan’ny fitadiavana gazoala ireo mpanjifa eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao omaly. Taorian’ireny fanambarana navoakan’ny Ofisy malagasy misahana […]

Andonaka Ambalavao: Nahavokatra mangahazo 200 taonina ny fonja

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fitsarana (Minjus) sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa). Natao ny 3 jolay teo ny santa-bokatra tany amin’ny tanimbolin’ny Fonja, any amin’ny kaominina An­donaka, distrika Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony. Na­hatratra 200 taonina ny mangahazo vokatra tamina velaran-tany 130 ha. Notsipihin’ny Se­kereteram-panjakana, Raza­na­mahefa Tahian’Ny Avo, fa tanjona […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsian-tsolika eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa hita eny amin’ny tobin-tsolika avokoa ny gazoala sy ny lasantsy. Antenaina fa hitohy izany ary hihena tsikelikely ny filaharan’ny fiara, ka hizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana, indrindra ny fitateram-bahoaka sy ny entana. Voasolo « béton armé » […]

Fiarovana ny ala : Teknisianina 60 vao nivoaka teny amin’ny foibe CNFTF

Tsy mbola ampy ny isan’ny teknisianin’ny ala eto amintsika. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny foibem-piofanana. Miisa 60 ny teknisianin’ny ala nivoaka, ny 4 jolay teo, teny amin’ny Foibem-pirenena fanofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Notokanana ihany koa ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny toeram-piofanana. Mizara roa ireo mpiofana. Nanaraka fiofanana mitohy […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 120 tapitrisa dolara ny vola hampindramin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny banky aziatika AIIB, ao anatin’ny Fandaharanasa PRRC any Havelo Mandrare. Ho vahaolana amin’ny tsy fahampian-drano any amin’ny faritra Anosy sy Androy ity tetikasa ity sady hanamboaran-dalana RN13 mirefy 142 km Amboasa­ry- Tsivory, tohodrano, sns. Miisa 20 ny jiro cobra […]