Nanomboka omaly hatramin’ny 6 jolay izao ny varotra fampirantiana ny vokatra vita malagasy etsy amin’ny tokotany malalaka Carrefour Ankorondrano. Tanjona ny hanomezan-danja ny fambolena vita malagasy 100%, indrindra ny vokatra biolojika, toy ny vary, ny voankazo, ny voatabia, ny sesame sy ny maro hafa. Anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity […]
Toe-karena
Tetezana Andranotsara : Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana RN5
Tapaka ny tetezam-by « Pont Bailey » eo Andranotsara Namahoaka, any Mahambo, amin’ny lalam-pirenena faha-5, eo amin’ny PK 64, tamin’ity herinandro ity. Simba vokatry ny lanjan’entana tafahoatra, nentin’ny fiarabe mpitatitra iray, niditra teo amin’ilay tetezana. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny Fitantanam-paritra Atsinanana (DRTP) nandefa teknisianina teny […]
Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro : Manamafy ny resaka fihariana eto Madagasikara ny Miradia
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo, ny vovonana Miradia. Sehatra iray entina mampihary haingana ny Malagasy manoloana ny loza ateraky ny toetr’andro. Miradia ! Araka ny fanazavana azo omaly tamin’ireo mpikarakara tetsy amin’ny Panorama, sehatra iray ahitana fiaraha-miasa maro izy ity. Mampivondrona ireo mpisehatra rehetra ary miara-misalahy […]
Orange Madagascar sy ny Samsung : Miara-miasa ho fanohanana ny lafiny niomerika
Notontosaina ny 1 jolay teo, tao amin’ny Orange Digital Center, ny fanaovana sonia fanamafisana fiaraha-miasa stratejika vaovao, eo amin’ny Orange Madagascar sy ny Samsung. Natao nandritra ny hetsika “Let’s Lead the Future” izany. Tanjona ny hanohanana ny fanovana niomerika ataon’ireo orinasa malagasy amin’ny alalan’ny fitaovana sy teknolojia vaovao, azo antoka […]
Fanjifana : Tsenaben’ny fromazy
Hatao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny 10, 11 ary ny 12 jolay ho avy izao, ny « Tsenaben’ny Fromazy aty afovoan-tany », andiany faharoa. Mikarakara izany ny M’Anja Event. Nilaza ny mpamorona, Rajaofera Anjaratiana, fa entina hanasongadinana ny fromazy vita malagasy, novokarin’ny Malagasy mpamokatra madinika ny hetsika. Hisy ny fihenam-bidy, ny fisotroan-dronono maimaimpoana […]




