Mitohy hatrany ny taninketsa indostrialy hoentina mampiroborobo ny famokarana manerana ny distrika eto Madagasikara. Napetraka ao Arivonimamo, ny alakamisy teo, ny milina indostrialy hanodinana ny mananasy ho lasa ranom-boankazo sy milina mamokatra paty. Hamokatra ranomboankazo 2 000 hatramin’ny 3 000 isan’ora ny milina noho izy hanodina mananasy 1t mba hahazoana […]
Toe-karena
« Forum national des entrepreneurs »: hanome tohana sy tantsoroka ho an’ny mpandraharaha
Hifampizara paikady sy traikefa ary ireo zava-niainany ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ireo zokiny mpandraharaha mandritra ny « Forum national des entrepreneurs » amin’ny herinandro. Fotoan-dehibe hampivondronana ireo mpandraharaha samihafa ny « Forum national des entrepreneurs », andiany faha-5, atao ny 17 sy 18 novambra izao. Lohahevitra noraisina tamin’ity ny fanomezana traikefa sy paikady ho […]
Fanabeazana : nisitraka EPP vaovao ny mpianatra any Ambohitsimeloka
Notokanana, afakomaly, ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) iray any Ambohitsimeloka. Nohavaozina io toeram-pianarana iray io, rehefa ela tsy nisy nijery, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’ antoka telo samihafa. Ny Wednesday Morning Group (WMG) sy ny Fondation BOA ary ny Rotary Club Ankorondrano izany. Nahafahana […]
Tantsoroka ho an’ny tantsaha – behenjy : hamokatra akoho gasy 4 000 isam-bolana
Mpiompy akoho gasy ny 80% amin’ ny tokantranona tantsaha eto Madagasikara noho izy haingam-piodina sy mampidi-bola. Nisy ny tantsoroka fizarana fitaovana ho an’ny fikambanana tantsaha Miaradia sy Ezaka nataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tamin’ny alalan’ ny tahirimbola fampandrosoana ny fiompiana (FEL) tao amin’ny kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra, ny […]
Airtel-SG Madagasikara : Ekena ny fifanakalozam-bola niomerika
Nampahafantarina ny besinimaro, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Money sy ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Fifanarahana mifantoka amin’ ny fahafahana mampifandray ny kaontim-bola eo amin’ny roa tonta. Izany hoe, azo atao ny mandefa vola avy amin’ny kaonty Airtel Money mankany amin’ny kaonty banky SG, na koa ny mifamadika […]