Toe-karena

Atsimo Atsinanana sy Fitovinany : trano fanodinana kafe sy tohodrano

Natolotra ny 5 oktobra teo ny trano fanango­nana sady fanodinana kafe any amin’ny kaominina Vohitrambo, Disstrikan’i Fara­fangana faritra Atsimo Atsi­nanana. Nanolotra izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny talen’ny Kabinetra Rasoanaivo Jocelyn, ny go­vernoran’Atsimo Atsinanana, ny Dr. Mahafaky Justin, ny fi­tantanam-paritra (DRAE) ary olo-manan-kaja maro. Tsara ny […]

Fiompiana omby : tafapetraka ny Centre d’insémination artificielle

Hanatsara ny taranak’omby sy ny kalitao jifain’ny mpanjifa, hanafainganana ny fitombony sy hahazoana lanja bebe kokoa, ahafahana mitahiry karazana taranaka misy any an-toerana. Ireo no tanjona ho an’ny fametrahana ny ivontoerana hanaovana fampanarahana enti-tanana sy ny laboratoara fitiliana ny fahasalaman’ ny biby (Centre d’insémination artificielle) ao amin’ny faritra Anosy. Paikady […]

Fandraharahana: hampihaona ny tolotra sy ny tinady ny hetsika “SAEM”

Hanatsara ny teknikam-pamokarana ao amin’ny faritra Boeny, io no fanamby apetraky ny Hetsika mpisehatra ara-toekarena ao Mahajanga andiany voalohany, “salon des acteurs économiques de Mahajanga (SAEM)”, izay hotanterahina ny 26 okotobra izao. Hetsika atao mandritra ny efatr’andro hampihaonana ny tolotra sy ny tinady, hitsinjovana ny mpamboly sy ny mpitrandraka ny […]

Barazy Bevava: hahazoam-bokatra 3 400 t isan-taona

Vita 100% ny fotodrafitrasa fanitarana ny tohodrano Bevava ao amin’ny kaominina Mitanty sy Ampasimanjeva, distrika Manakara, faritra Fitovinany. Hanondraka velarantany hatramin’ny 340ha ny lemaka raha toa ka 110ha izany teo aloha. Hisitraka mivantana izao fotodrafitrasa izao ireo tokantrano 483 miaraka amin’ireo fikambanana mpampiasa rano “AUE” Mendrika. Hanampy sy hampivoatra ny […]

Paositra malagasy: tafapetraka ny «digital center»

Ivontoerana atao hampiroboroboana ny fandraharahana sy ny niomerika ny “digital center” eny anivon’ny paositra malagasy. Hisokatra ho an’ny rehetra izany ary natao hampivelarana ny seha-piharian’ny tsirairay. Notokanana teny amin’ny biraon’ny paositra malagasy etsy Antaninare­nina ny “digital center”. Ivontoerana misahana ny niomerika fa indrindra ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana. Fotodrafitrasa ahafahana […]