Toe-karena

Fanamboarana fotodrafitrasa: hasiana fitarihan-drano ao Betroka

Anisan’ny misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa toa ny tambazotra fitarihan-drano ao Andriabe, kaominina Mahasoa atsinanana, distrika Betroka. “Mbola ambany ny tahan’ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny tany trandra­hana. Zara raha misy 10ha ny velaran-tany azo trandrahana ary 1,5t/ha ny taham-bokatra azo amin’izany ka manome 15t”, hoy […]

Fanondranana dipoavatra mena: sarotra ny famokarana ny vokatra tsara kalitao

Manan-karena vokatra fanondrana i Madagasikara, firenena anisan’ny mandray ny tsiperipery malagasy ny ao Azia sy Eoropa. Tsara kalitao ny dipoavatra mena vokarina eto amintsika saingy nihena ny fanafarana izany taorian’ny krizin’ny Covid-19. Mpamokatra dipoavatra mena na tsiperifery (baie rose) tsara kalitao indrindra eto Madagasikara ny faritra Bongolava. Mamokatra betsaka ihany […]

Mitohy ny trafika: Sokake miisa 24 tany Itampolo Toliara

Tsy mety fongana ny fangalarana an-tsokosoko sokatra. Miisa 24 ny sokatra (so­kake) lehibe hita tany amin’ny tanànan’i Magnary, fokontany Behavoha, kaominina Itam­polo, ao amin’ny distrika Am­panihy, faritra Atsimo Andre­fana, ny alakamisy 3 aogositra teo. Tsy nisy tratra ireo mpanao trafika. Tovolahy mpiandry omby teny an-tsaha no nahita ireo sokake ireo […]

Fiaraha-miasa amin’i Rwanda: hohamoraina ny fampiasam-bolan’ny firenena roa tonta

Niatrika ny “Business forum Madagascar – Rwanda” sy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Ao anatin’izany ny momba ny fampiasam-bola. Maherin’ny 40 ireo mpandraharaha sy orinasa nandray anjara amin’izany, ahitana ny Gem, Fivmpama, Sim, Syma­bio, Goticom, GFEM. Eo koa ny CTM sy ny […]