Toe-karena

Ho tsara ny vokatry ny fizahantany

Taona nitarafana ny fampiroboroboana ny fizahantany teto Madagasikara, ny taona 2019. Ankehitriny, “azo lazaina ho tratra ny tanjona. Tsy mifanalavitra ny tamin’ny taona 2019 isika izao”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randrimandranto Joel. Ho tsara lavitra ny vokatra andrasana amin’ny taona ho avy ary hihoatra ny tamin’ny taona 2019 izany, […]

Vanim-potoanan’ny fety: tafakatra 20 000ar ny kilaon’ny hena

Vanim-potoana anisan’ny mampiakatra ny vidin’entana isan-karazany ny vaninandro fety. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby. Andro vitsy mialoha ny fetin’ny Krismasy isika izao, miakatra avokoa ny vidin-tsakafo andavanandro. Ankehi­triny tafakatra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby, 19 000Ar kosa ny henan’ondry eny an-tsena, raha toa ka manodidina ny 18 […]

Banky Iraisam-pirenena: mahatratra 443,5 miliara dolara ny trosan’ny tany mahantra

Manambara ny Banky iraisam-pirenena fa tafakatra ambony be ny tahan’ny zanabola tato anatin’ny 40 taona farany. Nahatratra 443,5 miliara dolara ny vola navoakan’ny firenena andalam-pandrosoana nandoavany ny trosany tamin’ny taona 2022. Nitombo 5% miohatra ny tamin’ny taona 2021 ny trosa naloan’ny firenena mahantra, ny taona 2022. Mitotaly 88,9 miliara dolara […]

Tohodranon’i Beboka : hamokatra vary fanampiny 6 300 taonina

Hiverina hamokatra ny tantsaha ao amin’ny distrika Antsalova, faritra Melaky, noho ny fahavitan’ny tohodranon’i Beboka. Hamokatra vary fanampiny hatrany amin’ny 6 300t isan-taona ny fotodrafitrasa, entina hampiroboroboana ny famokarana sy hanampiana ny tantsaha ka hanatrarana ny fanamby amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanondraka velaran-tany 1 600ha mandritra ny fotoam-pambolena ny lakandrano ary 500ha […]