Toe-karena

Madagasikara : lohalaharana amin’ny fanondranana vokatra bio

Tafakatra hatrany amin’ny 5 800t ny vokatra bio naondran’i Madagasikara ny taona 2020, raha toa ka 800t monja izany ny taona 2009. Anisan’ireo firenena mpanondrana vokatra bio betsaka indrindra maneran-tany ny firenena malagasy. Manodidina ny 35% amin’ireo vokatra naondrana ny kakao, legioma 20%, voankazo ny 12%, hanitra fanao amin’ny sakafo […]

Tahirimbolam-panjakana : tafapetraka ny tondrozotra « Schéma directeur des réformes »

Natolotra teo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tondrozotra «  Schéma directeur des reformes »,  hitantanana ny tahirimbolam-panjakana mandritra ny dimy taona. Narafitra ao anatin’ny « Schéma directeur des réformes » (SDR) ireo paikady sy fanavaozana rehetra hampandrosoana ny tahirimbolam-panjakana mahomby ka handraisana anjara feno amin’ny fitomboan’ny fiharian-karena. Entina hitantanana ny tahirimbolam-panjakana ao […]

Tetikasa AD2M Melaky: hanondraka velaran-tany 1.600

Notanterahin’ny tetikasa AD2M sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy fiompiana (DRAE) Melaky, ny 12 desambra teo, tany amin’ny Antsa­lova, ny fandraisana vonjimaika ny fahavitan’ny asa fanaja­riana ny lemak’i Beboka. 30 taona lasa izay, afaka namboly vary tamin’ny andaniny roa amin’ny reniranon’i Beboka ny mponina any amin’ ny kaominina Ampamoty, Saririaka, […]

Fandoavan-ketra : niampy 41.000 ny ara-dalàna

Nifarana, omaly, ny hetsika “Anjara hetrako”, nokarakarain’ny foiben’ny fitantanan-ketra (Direction générale des impôts) tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina nandritra ny Tsena­ben’ny mpandraharaha. “Natao hanamorana ny fampidirana an’ireo mpandraharaha madinika sy tena madinika eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny hetsika”, hoy ny fanazavan’ny lehi­ben’ny sampandraharaha ny fampiroboroboana ny olom-pirenena ara-ketra, Randrianomanana Imiangaly. Tao […]

Kitapom-bolam-panjakana : mampiditra 3.5 miliara Ar mahery isan-taona ny lamatra

Kitro ifaharan’ny toekarena ny jono sady miantoka hatrany amin’ny 25% ny harinkaren’i Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola nampidirin’ny lamatra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny jono lamatra. Isan-taona, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana taorian’ny fanatsarana ny sehatra […]