Toe-karena

Fampandrosoana : vonona hanohana an’ i Madagasikara ny BAD

Hiara-hiasa akaiky amin’i Madagasikara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa entina hampandroso ny firenena. «Hanohana ireo tetikasa fampandrosoana eto Mada­gasikara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD)», hoy ny filohany, i Adesina Akinwumi. Hojerena manokana ireo tetikasa mom­ba ny fambolena, ny angovo, ny fiarovana ny tontolo […]

Pr Rasamoelina Henri : « 9%-n’i Madagasikara sisa no misy ala »

Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana, indrindra ho an’ny olombelona ny faharipahan’ny ala. Anisan’ny iharan’ izany fahasimbana sy fahapotehina izany ny ala eto Ma­da­gasikara. “Tsikaritra mivantana izany fihenan’ny ala izany, raha vao mandeha lalam-pirenena fotsiny, indrindra rehefa mandeha fiaramanidina. Ary na ny ala atsinanana aza ho ritra”, hoy ny profesora […]

Fampiroboroboana ny fizahantany: miara-miasa ny Paositra malagasy sy ny Vanilla Pay international

Tsy afa-misaraka ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra. Manana tombony betsaka ireo mpandraharaha mampiasa ny niomerika, hamaliana ny filàn’ny mpanjifa ka afaka mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanamo­rana ny fandoavam-bolan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany no nahatonga ny Paositra ma­lagasy, amin’ny alalan’ny Paositra Money sy ny Vanilla Pay international (VPI) hiara-hiasa. Vita sonia omaly, tetsy Ambohidahy, […]

Taninketsa indostrialy- Ambatondrazaka: mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro

Manodina voatabia 1 500 kg ny milina ao Ambalabako Ambatondrazaka, izany hoe, mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro. N­a­moaka ny vokatra voalohany tamin’ny 15 okotobra lasa teo ny orinasa. Nanaovana fitiliana izany ary voamarina fa manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra ka azo ohanina tsara ny Kechup Lycoper. “Manana ambim-bava amin’ireo vokatra voaodina […]