Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 15 desambra, ny andiany faharoa amin’ny asa ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny tanàn-dehibe (Produir), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF). Nanombohana azy teny amin’ny kaominina Andranonahoatra, Anosizato Andrefana ary Bemasoandro Itaosy. Tafiditra ao anatin’ny singa ho tanterahin’ny Produir ny […]
Toe-karena
Madagasikara : manana paikady hampiroboroboana ny indostria
Miendrika roa lehibe ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Paikady voalohany ny fampirisihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpamatsy vola hanampy eo amin’ireo orinasa sy indostria goavana eto Madagasikara (fomba fijery lavitra ezaka). Fanohanana ny indostria miainga eny ifotony sy manakaiky vahoaka, amin’ny alalan’ny tetikasa taninketsa indostrialy (fomba fijery fohy […]
Startimes-Banky SGM: Kojakoja mandeha amin’ ny herin’ny masoandro
Natao sonia omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ ny orinasa Startimes sy ny banky Société générale Madagasikara (SGM). Misy ny tolotra avy amin’ny Startimes, manamora ny ahazoan’ny mpanjifa fitambarana kojakoja samihafa (kits solaires Startimes), mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Antony, vahaolana aroso ho an’ny mpanjifa manoloana ny delestazy sy ireo monina any […]
Fanamafisana ny fiofanana : hajoro ny akademian’ny ladoany sy ny sekolin’ny Etamazaoro
Natao sonia omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny ladoany malagasy sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hatsangana ny toeram-piofanana Akademian’ny ladoany sy ny Sekolin’ny Etamazaoron’ny Tafika. Hitondra fiovana lehibe ny tontolon’ny fanofanana amin’ny haban-tseranana sy ny Tafika. Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany, Lainkana Zafivanona, fa any Toamasina, izay tany nampiasain’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena […]
Axian-Telma : nohavaozina ny EPP Garbit Antsirabe
Notokanana ny 8 desambra teo, ny fanavaozana ny sekoly EPP ao amin’ny Araben’ny fahaleovantena Garbit, Antsirabe. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Vondrona orinasa Axian sy ny Telma. Nahafahana nanao azy ny fandaharanasa ho an’ny orinasa Sekoly Telma, ny M’Hetsika MVola ary ny Madio Toa, novolavolain’ny Fondation Axian, vatsian’ny Telma ara-bola. […]




