Toe-karena

Akany Fitiavana : nisitraka vary 2 gony avy amin’ny kaominina Antananarivo

Nisitraka vary 2 gony ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Akany Fitia­vana, etsy Faliarivo Amba­nidia, ao amin’ny boriborintany faharoa, omaly. Nanolotra izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Mitaiza olona sembana sy zaza kamboty ny akany. Lehilahy 12 sy vehivavy 10, anelanelan’ny 14 hatramin’ny 54 taona izy ireo. “Fanome­zana avy […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : manamafy ny fahaizana miserasera

Hanampy sy hanome tan­tsoroka an’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany, izay no tanjona apetraky ny agence Tropi’Com, nandritra ny fanolorana azy tetsy Andraharo, omaly. Hanampy amin’ny lafiny serasera sy fampahafantarana ny tolotra sy ny mampiavaka ny mpian­tsehatra samihafa ny tsanganasa (agence). “Manan-karena i Madagasikara izay tokony haseho an’izao tontolo izao, […]

Fambolen-kazo 2023: niisa 128 000 000 ny zana-kazo voavoly

Nivaly ny ezaka natao tamin’ny lafiny fambolen-kazo, ho an’ny taona 2023, satria nihoatra ny tanjona napetraka ny velaran-tany voavoly. Misitraka ny vola azo avy amin’ny tsena karbôna ihany koa i Madagasikara. Nahomby ny taom-pambolen-kazo 2023. Ni­tombo 104% ny zana-kazo voavoly, nihoatra tamin’ ny taona 2022. Niisa 128 091 650 ny zana-kazo […]

Irondro-Manakara: vita godirao ny lalana RN12A

Vita ny lalam-pirenena eo Irondro (sampanana RN 25) mankany Manakara, ny RN12A. Narenina natao godirao tanteraka ity lalana mirefy 118 km ity, taorian’ny rivodoza nitranga tamin’ny fiandohan’ny taona teo. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena no nanaovana azy, ao anatin’ny Tahirimbola ho an’ny asa vonjy taitra. Nisy tetezana mirefy 102 metatra […]

ENEM Mahajanga : hampitomboina ny Malagasy tantsambo

Tafiditra ao anatin’ny vina apetraky ny Ecole nationale d’enseignement maritime (ENEM) ao Mahajanga, ny fampitomboana ny Malagasy tantsambo miofana eo anivon’ny sekoly. Noho izany, hampitomboina avo folo heny farafahakeliny ireo Malagasy hiofana eo anivon’ity sekoly ity. Fanamby apetraky ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hametraka sekoly mpampiofana […]