Toe-karena

Fikambanana Zam : tohana ho an’ny fokonolona

Mitohy ny fanohanan’ny fikambanana Zanak’ Ambohidra­trimo Marovatana (Zam) ny mponina eny ifotony. Nahazo rano fisotro ny fokonolona any amin’ny fokontany Ampana­taovana, ny herinandro lasa teo. Nomena masomboly koa ny tantsaha, amin’izao taom-pambolena izao. Nahazo tohana ara-bola ny mpianatry ny EPP avy amin’ ny fianakaviana sahirana. Mpianatry ny kilasy T4 ao […]

Fitrandrahana tsy ara-dalàna: governora sy sinoa 12 naiditra am-ponja

Sinoa 12 naiditra am-ponja tamin’ny sabotsy. Miampy Malagasy roa izany ka governora ny iray. Ampangaina ho nanao kolikoly sy fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna izy ireo. Niakatra fampanoavana ny sabotsy 9 desambra ny raharaha nahatrarana teratany sinoa miisa 12 ta­ny Marokoro, distrika Mae­va­tanana. Nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ ny reniranon’i […]

Fitaterana ana habakabaka : hanokatra lanitra amin’ny firenena Arabo sy Azia i Madagasikara

Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny lanitr’i Madagasikara amin’izao tontolo izao, hampiroboroboana ny fitaterana ana habakabaka. Ankehitriny, kaompania maro avy any ivelany no liana amin’ny fanaovana sidina mankaty Madaga­sikara. Tetikasa izay mifanindry an-dalana amin’ny tanjona apetraky ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy hanatrarana ny mpizahatany 1 tapitrisa […]

ny train urbain: hiasa amin’ny fiandohan’ny taona

“Vinavinaina hiasa amin’ny fiandohan’ny taona 2024 izao ny train urbain mampitohy an’i Soarano sy Ambohimanam­bola”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny alakamisy teo. Nahemotra, hoy izy, ny fampandehanana ity fitaterana an-dalamby ity, noho ny fanamboarana samihafa, toy ny fanatsarana ny lalamby sy ireo […]

vita ny tetezana mangalaenatra : misokatra ny lalana Ifanadiana-Ikongo

Tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny hisokafan’ny fifamoivoizana mandavan-taona, aorian’ny fahavitan’ny lalana. Vita ny tetezana any Mangalaenatra ary manomboka ny fanarenana ny lalana. Hivaha ny olana amin’ny fitokana-monina any amin’ny distrika Ikon­go, noho ny haratsian’ny lalam-pirenena RN14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Tsia­hivina fa nidina tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny kolonely Andriana­tre­hina […]