Toe-karena

Jono : 20 000 taonina ny hazandrano aondran’i Madagasikara

Mamelona fianakaviana an’arivony sy mampidi-bola amina tokatrano maro eto Madagasikara ny jono. Manodidina ny 200 000 taonina isan-taona ny vokatra eto amintsika saingy 20 000 taonina monja ny aondrana. Mbola ambany ny fampidiram-bola azo avy amin’ny jono eto Mada­gasikara izay tsy misy afa-tsy 7% ny harinkarena faobe. Tanjona ny hampiakarana izany ho […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka mialoha ny fiavian’ny orana ny fanarenana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala (RN23A). Ny lalana tena ratsy no hamboarina, eo anelanelan’ny tetezana Sahamarina, PK 6, sy ny any Anosibe An’Ala (PK 71). Tsiahivina fa hatao mandritra ny roa andro ny halavirana 72 km amin’ity lalana ity. Miisa 200 ny tantsaha mpamboly […]

Moramanga: tohana RSE avy amin’Ambatovy

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny tetikasa Am­batovy, manana drafitrasa ma­nokana izy amin’ny lafiny sosialy ho an’ny fiarahamonina (RSE). Anisan’izany ny sehatry ny fanabeazana. Nila­za ny lehiben’ny Cisco Mora­manga, Raberado Lahitsara, fa omena sakafo any an-tsekoly ny mpianatry ny EPP valo ao Moramanga. Maherin’ny 30 ny mpianatra nomena vatsim-pianarana any […]

Profilait: Miroborobo ny famokarana ronono

Seha-pihariana miroborobo ny fiompiana ombivavy beronono. Anisan’ny faritra iasan’ ny tetikasa Profilait, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Afafi Afovoany, ny eny Ambohijafy sy Beronono Imerintsiatosika. Fahombiazana! Nivoatra ny fari-piainan’ny mpiompy nisitraka ny tetikasa Profilait, fandaharanasa hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono, vatsian’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) ara-bola. Anisan’izany Randrianarison Rolland, mpiompy ombivavy […]