Rafitra iray miantoka ny fampivoarana sy ny fampiroboroboana ny orinasa ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iainana (RSE). Nivoitra izany nandritra ny fanokafana ny « Salon RSE et IDD », andiany faha-10, tetsy amin’ ny Novotel Alarobia. «Tao anatin’ny 10 taona nisian’ny RSE, maherin’ny 80% ireo orinasa nampiditra izany ho anisan’ireo paikadim-pitantanany. […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Asa manodidina ny 200 000 no tandindonin-doza noho ny hetra vaovao nampidirina sy nampiharina nanomboka ny taona 2023, ho an’ny orinasa afakaba. Tara ihany koa ny fandoavan’ny fanjakana ny TVA ka mahatonga ireo orinasa ho very hevitra. Miantso fifampidihana ny GEFP mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra vaovao. Tsy tokony hisy ihany koa […]
Fampiasam-bola : Hanakaiky ireo mpandraharaha ao Sava ny EDBM
Vita sonia omaly, teny Antaninarenina, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny faritra Sava. Tetikasa mikendry ny hanamafy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola any an-toerana. Hetsika tafiditra ihany koa ao anatin’ny paikadin’ny EDBM amin’ny fananganana ny sampana ao Sambava, araka ny drafitrasany ho an’ny taona 2026. […]
Airtel Madagasikara: Manarina an’i Toamasina
Mandray anjara feno amin’ny fanarenana an’i Toamasina, vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, ny orinasa Airtel Madagasikara, amin’ny alalan’ny Fondation Airtel Africa. Natao ny 25 jona teo ny fanolorana ny fanampiana ho an’ny Lycée Rabemananjara. Tonga nanatrika ny fotoana ireo manam-pahefana maro, tao koa ny solontenan’ny orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i […]
Mahavavy-Kinkony : Niova fo hiaro ny tontolo iainana ny mpiavy any an-toerana
Nankalazaina ny 29 sy 30 jona teo ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME) any amin’ny distrika Mitsinjo, Faritra Boeny. Anisan’ny nampiavaka azy ny faharesen-dahatry ny mpiavy avy any atsimon’ny Nosy, hiaro ny tontolo iainana. Tany Ambalihamarotia, kaominina Mitsinjo no nanatanterahana ny fotoana. Nanatrika tao avokoa ny manam-pahefana isan-tsokajiny […]





