Toe-karena

Star : Zava-pisotro vaovao anaty vifotsy

Nampahafantarina ny 13 marsa teo, ny vokatra vaovao an’ny orinasa Star. Voakasik’ izany ny Fresh, ny Caprice, ny Woco ary ny XXL, izay atao anaty fonosana vifotsy (canette), 33 cl. Zava-pisotro « panaché » voalohany vokarina eto Madagasikara, ny Fresh anaty vifotsy « canette », sady mora ampiasaina. Hita bebe kokoa amin’ny lalam-barotra Modern […]

Fiarovana ny zon’ny mpanjifa : Ilaina ny fiaraha- mientan’ny rehetra

“Mbola miparitaka ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka na tsy manara-penitra ka mampihena ny fahatokisan’ny mpanjifa satria mampidi-doza azy, indrindra fa ara-pahasalamana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC), Rasolofoarison Misa, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC). Hetsika natao omaly, tetsy […]

Salon des transports: Andry iankinan’ny toekarena ny fitaterana

Notanterahina ny 13 sy 14 marsa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Salon des transports et de la chaîne logistique ». Nandray anjara, tamin’izany, ny sehatry ny fitaterana an-tanety, ana habakabaka, an-dranomamy sy an-dranomasina. Manana vina sy tanjona iombonana ny mpisehatra amin’ny fitaterana tsy ankanavaka. Izany dia voafintina amin’ny hoe: […]

Fizahantany : Latsa-bidy ny taozavatra malagasy

Dimy andro taorian’ny nandalovan’ilay sambo mpitondra mpizahatany, Pacific Worls, tao Toamasina, dia nanao tombana ny mpikarakara sy ny mpivarotra asa tanana sy ny taozavatra vita malagasy. Nilaza ireo mpivarotra fa latsaka noho ny tsena andavanandro ny vidin’entana. Tsy nampiova na inona na inona ny fifanakalozana tamin’ny sandam-bola dolara. Tetsy ankilan’izay, […]

Toamasina: Tokantrano 1200 nampian’ny Airtel

Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana na­nehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana ni­asa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny […]