Toe-karena

Orinasa afakaba : “Agrément” miisa 141 hosintomina

Hentitra. Mahatratra 141 ny sata mifehy maha orinasa afakaba ho sintomina noho ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nivoitra izany nandritra ny tomban’ezaka nataon’ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Nirina Nampoina, omaly, tetsy Anosy. “Maro ny fepetra tsy voahajan’ireo orinasa toy ny tsy fanarahan-dalàna, tsy […]

Jirama : Hisy milina hafa 30 MW hihodina

Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana, mahakasika ny fahatapahan-jiro sy ny fidinan’ny tanjaky ny herinaratra. Tsy delestazy mifandimby no ampiharina fa noho ny fiovaovan’ny famokarana vokatry ny vanim-potoana maintany. Simba ny fitaovana mitsinjara herinaratra, ny tariby, ny vata fanapahana herinaratra, ny vata mpanova herinaratra, sns. […]

30 taona ny Tany Meva: Fikambanana malagasy voalohany misehatra amin’ny tontolo iainana

Malagasy mpamatsy vola ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony miaro ny tontolo iainana ny Fondation Tany Meva. 30 taona niaraha-niasa mivantana amin’ny mponina, ho fiarovana ny tontolo mananaina eto Madagasikara. Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva. Fikambanana malagasy mamatsy vola ny tetikasa volavolaina sy aroson’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Nosantarina, omaly, […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa apetraka ny tetezamby vonjimaika (Pont Bailey), eo amin’ny tetezana Mangapaika, lalam-pirenena RN4, PK505. Simba tanteraka ilay tetezana, nodomin’ny fiarabe, izay efa nesorina tao ambany tetezana. Mandeha ara-potoana ny asa eny an-toerana, ny fitaovana mandrafitra ny tetezamby, hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Tsiahivina fa efa misy ny fivilian-dalana, mandra-pahavita ny […]