Tranga

Nisera merkiora : pasitera nisoloky 70 tapitrisa Ariary

Pasitera iray eto Antananarivo no hiakatra fampanoavana, anio, noho ny aferana merkiora sy fisolokiana vola mitentina 70 tapitrisa Ar. Nitaraina tany amin’ny ambaratongan-drafitra, araka izany, ireo biraom-piangonana. Naato nandritra ny roa volana ilay pasitera, ny volana novambra sy desambra teo, saingy mbola niverina nampivavaka indray nanomboka ny volana janoary. Tsy […]

Mivadika ho mpikarama an’ady : efa-mianaka matin’ny mpaka an-keriny

Tsy mijanona amin’ny fitakiam-bola fa mamono ny mpaka an-keriny ankehitriny. Misy ny mpanakarama azy ireo. Efa-mianaka matin’ny mpikarama an’ady tao anatin’ny herinandro. Zava-doza ny afitsoky ny andian-jiolahy mahery vaika ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Betsiboka, Analamanga. Tsy mihanona amin’ny fakana olona an-keriny intsony izy ireo, ankehitriny. Tsy mionona amin’ny fakana vola […]

Telo mianadahy tsy hita popoka : mitaky 80 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny

Mitaky vola mitetina 80 tapitrisa Ar, amin’izao fotoana izao, ireo dahalo naka an-keriny telo mianadahy tao amin’ny fokontany Ambohi­ma­mory, kaominina ambanivohitra Anjo­zorobe, distrikan’Anjozorobe. Nitrangana fanafihana niharo vono olona tao amin’io toerana io, ny 23 marsa lasa teo. “Na­nafika tao amin’ny sefo fokontany ireo dahalo efa-dahy, nitondra basy ny roa ary zava-maranitra ny […]

Nanafika karana: 5 lahy nandroba 25 tapitrisa Ar

Norobain’ny jiolahy dimy, nitondra basy PA sy Kalachnikov, ny tranombarotra an’ny karana iray eny Andrefan’Ambohijanahary, omaly hariva. Notifirin-dry zalahy ny totohondry ny vavany. Lasa ny vola 25 tapitrisa Ar. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ma­­hery vaika ny tranombarotra iray lehibe an’ny teratany Karana eny Andrefan’ Ambohi­janahary, omaly hariva tamin’ny 5 ora sy 30 […]