Tranga

Ambohibao : efa-dahy nangalatra moto voasambotra

Nifanenjehan’ny andrimasom-pokonolona, mpangalatra moto roa lahy tra-tehaka teny amin’ny fokontany Andranoro, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny alakamisy 02 mey teo, tamin’ny 2 ora maraina. Nanosika moto anaty haizina ireo roa lahy ireo. Nentin’ny fokonolona teny amin’ny zandary izy roa lahy. Niahankahana anefa ireto farany rehefa nametrahan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana. “Nilaza ho […]

Poa-basy inefatra: raim-pianakaviana naratra voatafika

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ampanataovana Atsimo, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady alina teo. Raim-pianakaviana iray naratra teo amin’ny tanany… Raim-pianakaviana iray naratra nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ampanataovana, kaominina Ampanotokana, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Jiolahy valo nitondra basy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana, araka ny […]

Fahazoana mariboninahitra: Ramatoa mpisoloky, maka 35 000 Ar

Vola an-tapitrisany no efa azony! Renim-pianakaviana iray ao Toamasina no misoloky ho afaka mikarakara fahazoana mariboninahitra haingana ara­karaka ny hangatahan’ny olona. Rehefa hitany fa roboka ny olona solokiany dia mody hasehony lisitra fa hoe ireto avy ireo efa miandry sonian’ny filohan’ny Repoblika. Lazainy mihitsy aza fa hapetaka amin’ izao daty […]

Mahavatse Toliara : jiolahy roa maty rotiky ny balan’ny polisy

Jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy nandritra ny fifampitifirana tao Mahavatse Toliara, omaly tamin’ny 1ora sy 45 mn. Nandritra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana no nisian’ny fifandonana. Tsy mikely soroka ny polisy amin’ny famongorana ny asan-jiolahy miseholany ao Toliara sy ny manodidina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisin’ny UIR no nahazoan’izy […]