Ravan’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy niaraka naiditra am-ponja. Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny olon-dratsy roa raha toa ka nalefa ao Antanimora ny roa lahy namany, afakomaly. Mikambana anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny kaominina Antehiroka, ireo olon-dratsy ireo. […]
Tranga
Ankadikely Ilafy : Jiolahy roa lahy maty voatifitra
Lavon’ny tifitra tao anatin’ny haizina ny roa lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy, teny Ambonisoa, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly maraina. Naharay angom-baovao ny zandary fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana teny an-toerana. Nanao fisafoana alina ny mpitandro filaminana ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany rehefa nasain’ny […]
Ampefiloha : Vehivavy tera-bao nikasa hanary zanaka
Teraka tao amin’ny toeram-pivoahana ho an’ny besinimaro iray teny Ampefiloha ny vehivavy iray, omaly. Nitera-tena samirery io vehivavy io. Tsy nisy nanampy izy fa niezaka namoaka ny zanany tao anatin’ilay toeram-pivoahana. Nikasa hanary io zanany vao teraka io anefa ilay vehivavy taorian’izay. Saika natsipiny tao ambadiky ny toeram-pivoahana ilay zaza […]
Tao anatin’ny telo andro : Olona roa hita faty teny Ambohimalaza
Zazavavy 6 taona hita faty ny alatsinainy ary olona iray hafa omaly tolakandro, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tsy nisy voamaso ilany intsony ilay zazavavy. Nofatorana tamin’ny rovitr’akanjo mainty teo am-bodihazo ny vatany, nogejaina tadin-kiraro ny tongotr’i Tanyah kely, ilay zazavavy 6 taona hita faty tao Ambohimalaza, ny alatsinainy 21 jolay […]
Nandroba Cash point: Gadra nandositra ny iray tamin’ireo jiolahy
Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery. Noraofin’ireo […]




